Mois : novembre 2025

Fanoloana an-dRalisy amin’ny «Meeting de la Réunion»: «Misy teknisianina manakorontana”, hoy i Johnson, filohan’ny 3FB

J-24 mialoha ny hiatrehan’ny atleta malagasy ny “Meeting de la Réunion”, misavoritaka tanteraka ny delegasionina noho ny fisian’ny resaka fanoloana atleta handray anjara amin’izany. Nitondra fanazavana ny filohan’ny klioba sy ny federasionina fa tsy misy fanoloana atleta izany fa misy teknisianina minia manakorontana. Niteraka resabe, ny fiandohan’ity herinandro ity, ny […]

Sekolim-panjakana : Mbola mitokona ny mpampianatra

Mbola maro ireo Lycée tsy mandray mpianatra fa manakatom-baravarana noho ny fitokonan’ny mpampianatra. Tsy mbola nisy nivaly ny fitakiana ka tsy manaiky ny hiverina hampianatra izy ireo. Etsy andaniny, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena dia efa manentana ny mpampianatra hiverina an-tsekoly handray ny asany fa hamaha miandalana ny olana. Ankilany, ireo mpianatra […]

Oniversiten’Antsiranana: Mivaha amin’ny ampahany ny olan’ny mpianatra

Tonga tany Antsiranana mihitsy ny avy ao amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, niaraka tamin’ny minisitra maromaro namaha haingana ny olana misy eo amin’ny oniversite any an-toerana. Vahaolana avy hatrany no nentina ho an’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Na­me­tra­hana «panneau solaire» hanazava ny tanàna, ma­matsy herinaratra 20 MW. Hatao haingana […]

MVola: Nisy ny fanavaozan-drafitra

Maro ny vaovao tsy marina niely momba ny MVola tanaty tambajotra sosialy, tato ho ato. Manome fanazavana ny orinasa, manitsy azy ireny. Vokatry ny fanavaozana ny rafitra noho ny olana ara-teknika no antony tsy nahafahana niditra tamin’ireo tolotra MVola tamin’iny herinandro lasa teo iny. Tsy misy mihitsy ny fifandraisan’izany amin’ny […]

Madagascar Airlines: Hapetraka ireo paikadim-panarenana ny kaompania

Tafiditra ao anatin’ny fanarenana apetraky ny fitondram-panjakana ny hamerina amin’ny laoniny ny fitaterana ana habakabaka. Laharam-pahamehana ny hitondram-bahaolana ny kaompania Madagascar Airlines. Haverina amin’ny laoniny ny fitaterana ana habakabaka eto Madagasi­kara, hojerena ny olana mahakasika ny kaompania Mada­gas­car Airli­nes. Nivoitra izany nandritra ny fihaonan’ny Praiminisitra sy ny solontenan’ny orinasa Mada­gas­car […]