Mois : novembre 2025

Angovo azo havaozina: Hamatsy 2MW ny RIA ny toby ao Ambohidrano

Hihena ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina. Ha­ma­tsy ny famokarana herinaratra eo ani­von’ny tambajotra iraisan’Antanana­rivo (RIA) ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ ny masoandro ao Ambohidrano, Sa­bo­tsy Namehana. Maherin’ny 2MW ny ango­vo azo avy amin’ ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny ma­soandro (Centrale solaire) ao Ambohidrano Atsinanana, ao amin’ny kaominina […]

TARATRY ny KANTO

Niakatra lenta ambonimbony kokoa ilay tantara tsangana noravahina hira, mitantara an’i Alladin, ny alahady teo, tetsy amin’ny CCI Ivato. Niavaka ny fandrindran’i Betia azy, ka nampiaina toy ny tena izy anatin’ny tantara koa ny hira sy soradihy nentin’i Ando Malalatiana. Efa matihanina ireo mpisehatra, ary tsy nataon’ny Okalou ambanin-javatra ny […]

Fanovana ifotony : Azo atomboka amin’izay ny « tena fanagasiana »

Tsy ilay tany amin’ny taona 1975 no haverina fa ny «tena fanagasiana» no atao. Tsy tokony ho lany fotoana amin’ny fitadiavana anarana na voambolana hoenti-«ma­nagasy» ny «cube», «racine carrée», «domaine de définition», sns, intsony ny mpampianatra sy ny mpikaroka. Fanapahan-kevitra hentitra no ilaina : «Ny teny mala­gasy no hoenti-mampianatra any […]

Rovan’Antananarivo : Hotontosaina ny 6 novambra ny famerenan-kasina

Fomba no hatao. Famerenan-kasina ny rovan’Antananarivo no hotontosaina, tarihin’ireo mpitan-kasina sy mpandala ny fomba malagasy. Hanasana ny rehetra kosa izany. 6 novambra 1995 – 6 no­vambra 2025. 30 taona ilay andro maizina, nahamay ny Rovan’Antananarivo, nisy ny Lapa Manjakamiadana sy ireo lapa hafa, ny fiangonana tranovato ary ireo fasan’ny mpanjaka. […]

FANTINA sy FINTINA

Nivoaka amin’ny fahanginany ny filoha nasionalin’ny RDS, Rakoto Andrianirina Fetison. Nambarany fa ilaina ny fampihavanana ahafahana manangana firenena, mba hirindra sy handroso. « Tsy azo havaozina ny firenena raha tsy voavaha aloha ny ratram-po sy ny tsy fitoviana », hoy izy amin’izao fiovana eto amin’ny firenena izao. Tsiahivina fa izao indray vao […]