Tafaverina an-tanindrazana ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny tsipy kanetibe, sokajy «Juniors» lahy sy vavy. Avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, natao tany Espagne ny 24 – 26 oktobra lasa teo. Tsy niveri-maina fa nahazo tompondaka maneran-tany miisa 4. Notsiahivin’Andrianirina Adrien, filohan’ny Federation Sport Boule de Madagascar […]
Mois : novembre 2025
SOMBIM-BAOVAO
Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fifaninanana « Muay Thai Tournament 3 » amin ‘izao fotoana izao, ny mpikarakara. Anisan’ny ady hafana amin’io, ny eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg lehilahy. Mpikatroka manana ny maha izy 3 lahy no hifanandrina amin’izany, hahitana an’i Lahatra (Tiger’s), i Gael (Toamasina) ary i Tahiana (Phoenix Antsirabe). Ny […]
Echecs: Miatrika « coupe du monde » i Fy
Tontosaina any Inde, nanomboka ny 30 oktobra lasa teo, hatramin’ny 27 novambra, izao, ny fiadiana ny amboara maneran-tany « Fide », taranja échecs. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana an-dRakotomaharo Fy Antenaina izay miatrika ity fifaninanana ity any an-toerana. Malagasy mpilalao échecs, laharana voalohany i Fy. Azo lazaina ho miady […]
Olan’ny baolina kitra : «Tsy hanongana ny FMF fa mitaky fanadiovana», hoy i Faneva Ima
Fanadiovana sy fanatsarana ary fametrahana ny toerany ny baolina kitra amin’ny maha fifaninanana ara-dalàna azy no ilaina apetraka eto Madagasikara. Io no antsoantson’ireo mpankafy baolina kitra tonga tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Atsaharo ny tsindry hazo lena sy ny fanaovana ramatahora, hoy izy ireo. Tonga namaly ny antson’ireo […]
Operation Smile : Nanome 26 750 euros ny orinasa DHL
Manana andraikitra eo amin’ny fiarahamonina (RSE) ny Vondrona orinasa DHL Group, misehatra amin’ny fitaterana taratasy, antontan-taratasy, entana maneran-tany. Nanolotra vola mitentina 26 750 euros ity orinasa ity, ho an’ny fikambanana Operation Smile, ny alakamisy 30 oktobra teo. Entina hikarakarana ny ankizy misy tsy fahatomombanana amin’ny vava, na ny lanilany ary […]




