Mois : novembre 2025

Drafitrasa Asecna : Mitaky ny fitsinjarana ara-bola ara-drariny i Madagasikara

Natao tany Dakar Se­né­gal, ny 21 novambra 2025 teo, ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny Vaomieran’ny minisitra ao anivon’ny Asecna, Fikamba­nana iraisam-pirenena misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily aty Afrika. Nan­katoavina ny drafitrasa stratejika (POS) ho an’ny taona 2026-2035, ny drafitrasam-pitantanana sy ny fampitaovana (PSE) 2026-2030 sy ny drafitrasa famatsiam-bola azy. Nitarika […]

PLFI 2026 : Lany nasiam-panitsiana teny Tsimbazaza

Aroso eny amin’ny Antenimierandoholona, anio, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI) 2026 izay lany teny amin’ny Antenimierampirenena omaly. Izy ireo indray no hidinika ny fanovana napetraka. Hatolotra ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny PLFI raha toa ka tsy misy ny fanovana entin’ny Antenimieran­doholona. Hivoaka aorian’izay ny didim-panjakana ho […]

INDRAY MIJERY

Hankalaza ny faha-100 taona nijoroany ny valan-javaboahary Tsimbazaza (PBZT), iray amin’ireo ivontoeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Ho fanomanana izany, mitohy ny asa ataon’ireo komitin’ny fanarenana, ahitana minisitera maromaro, ny Fanabeazam-pirenena, ny Serasera sy ny kolontsaina, ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Nijery ny zava-misy tao […]

CUA : Ny hetra miditra no hanaovana ny asa

Nanomboka ny zoma lasa teo no efa nitokona tsy niasa ireo mpandraoka fako sy mpamily ny fiarabe mpitaona fako eto Antananarivo, ao anatin’ny Sociéte municipale d’assainissement (SMA). Efa niresaka tamin’ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, ny solontenan’izy ireo ny alatsinainy lasa teo, teny Analakely. Momba ny fisondrotana karama izay nangatahin’ny mpiasa, […]