Nitrangana fihotsahan’ny tamboho, nahafatesana vehivavy 30 taona, tetsy Itaosy, fokontany Marobiby, kaominina Fihombonana, disitrikan’ Antananarivo Atsimondrano, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Nianjera tamin’ny trano nahitana rihana roa, misy efitra enina teo ho eo, ny tamboho iray. Efa-mianaka izy ireo no tao an-trano, nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo ary […]
Mois : novembre 2025
Ambohitrarahaba : Lehilahy tratra teo am-pangalarana
Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaomisaria foibe Avaradrano, ny lehilahy iray nangalatra kodiarana fiara sy kojakoja samihafa tao Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 22 novambra lasa teo. Nihaodihaody tsy lavitry ny toeram-piantsonan’ny fiara tao an-toerana io olon-dratsy io. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa ny tompon-trano ka tsy nisalasala niantso polisy. […]
Nandritra ny ora-nikidra : Ankizy 13 taona maty nilatsaham-potaka
Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo olona telo nilatsaham-potaka nandritra ny ora-nikija, tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, afakomaly. Ankizilahy 13 taona namoy ny ainy rehefa nilatsaham-potaka nandritra ny ora-nikija tao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina ambanivohitra Alatsinainy Bakaro, distrikan’Andramasina, ny tolakandron’ny talata 25 novambra lasa teo. Tra-doza tampoka ny olona […]
GOGUETTE ALLIANCE ( 26 11 2025 )
Asa fiomanana mialoha hitantanana ny loza : Hamoaka tondrozotra iraisana ny firenena ao amin’ny Sadc
Nanomboka omaly, eto Madagasikara, ny fivorian’ny firenena afrikanina mivondrona ao amin’ny Sadc, miasa amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Haharitra hateloana ny fifampizarana ho an’ny firenena mpandray anjara, eny Alarobia. Hivoaka aorian’ny fihaonana ny lesoka sy ny vokatra tsara ary ny fanararaotra hamolavola tondrozotra iraisan’ny firenena rehetra mpandray anjara […]




