Mois : novembre 2025

TSELATRA

Raharaha fanapoizinana ara-tsakafo niseho teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. « Mbola maro ny olona tokony hohenoina sy hanaovana fanadihadiana », hoy ny minisitry ny fitsarana, Fanirisoa Erinaivo. Mbola ao anatin’ny fihainoana ireo mbola velona rehetra izay nahita ny zava-nitranga ny mpanao famotorana. Anisan’izany ireo papasaosy voatonona tamin’iny raharaha iny. Fiara […]

Fihinanana soka-dranomasina : Tafakatra dimy ireo namoy ny ainy

Tafakatra dimy ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fihinanana soka-dranomasina an­tsoina hoe: fano, tany amin’ ny fokontany Sahorana, fo­kontany Ampasimpotsy, ka­o­­minina Fenoarivo Atsina­na­na, hatramin’ny omaly. Raha ny fanazavana voaray, vehivavy sy ankizivavy vao enin-taona ireo namoy ny ainy ireo. Am-polony ny olona marary sy mbola manaraka fitsaboana any amin’ny […]

Mpanao vato voatafika: Karohina ireo nahavanon-doza

Anatin’ny fanadihadiana, mikaroka ny mombamomba ireo olona dimy nanafika “Sri-Lankais” mpividy vato, tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina Ambatondrazaka, ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Lasan’ny olon-dratsy ny vola mitetina 10 tapitrisa Ar tao amin’ity teratany vahiny ity, ny alin’ny 26 novambra lasa teo. Jiolahy miisa dimy nanao saron-tava, niditra an-keriny tao […]

Roa taona namakiana fasana : 5 lahy mpangalatra taolam-paty, tratra

Ravan’ny zandarimaria ny tambajotra mpamaky fasana tao amin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 26 novambra teo. Roa taona nanaovana asa ratsy ireo tratra ireo. Dimy lahy mpangalatra sady mpivarotra taolam-paty nosamborin’ ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ampizarantany, ka­o­minina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny alarobia 26 novambra teo. Efa-dahy nitondra gony, naneho fihetsika […]