Vita sonia ny zoma teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Paositra Finances sy ny Mbalik hanamorana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa madinika ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Kendrena ny fampiatiana ara-angovo sy ara-bola amin’ny alalan’ireo vokatra vaovao mifanaraka amin’ny fahafan’ny mpanjifa tsirairay. «Tanjona ny hampanakaiky ny tolotra ara-bola […]
Mois : novembre 2025
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 646 miliara Ar ny tetibola natokana ho an’ny sehatry ny angovo. Niakatra maherin’ny 8,4 miliara Ar izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay mitentina 562 miliara Ar. Natao hanavaozana sy hanarenana ny orinasa Jirama io vola io, fa indrindra hanomezana vahana ny fironana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina. […]
Fampiroboroboana ny indostria: Hanamarin-toerana ny fandraharahana ny Cnim
Andry iankinan’ny toekarena ny fampandrosoana ny indostria amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanarahan’ny roa tonta ny filankevi-pirenena ho an’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (Cnim). Fanoitry ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria sy ny tontolon’ny fandraharahana. Manome vahana ny fampiasam-bola amin’ireo sehatra […]
Rugby – “XXL Top 12”: Nosahiranin’ny STM ny FTM
Nitohy omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahatelo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby “XXL Top 12”. Nosahiranin’ny STM, ny FTM Manjakaray. Na resy tamin’ny isa 43 no ho 33 aza ny Savony, nampiseho endri-dalao nahafinaritra, izay nanahirana an-dry zareo FTM, izy ireo. Nisy fotoana nahafahan’izy ireo namadika ny isa […]
DAKA AN-JORONY : Aza manao toy ny raty ê !
Mampametra-panontaniana ny zava-misy eo amin’ity baolina kitra malagasy ity, ankehitriny. Voaozona ve sa misy fanahy ratsy? Milamindamina kely, avy eo hisehoan’olana indray. Tsy voasasa ao an-trano intsony ny lamba maloto fa miharihary imasom-bahoaka. Zava-doza mitranga indray mantsy ny tsy fanatanterahan’ireo mpitsara ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly […]




