Mois : novembre 2025

TSELATRA

Tsy hita popoka nanomboka afakomaly Rotsiniaina Faravolatina Fifaliana, tovovavy 16 taona. Avy any Anka­di­non­dry izy ary niakatra teto Antananarivo, nikasa ho eny An­ka­zomanga. Tonga teny Anosizato, omaly tamin’ny 10 ora maraina, mbola nahavita niantso tamin’ny taxi-phone ary nisy nahita ihany koa ny nijoroany teo. Saingy izao tsy hita popoka izao. […]

Zandary roa maty : Novonoin’ireo mpitrandraka volamena

Karohina ireo mpitrandraka nivadi-pitokisana ka namono nahafaty zandary tao amin’ny fokontany Ambodiaviavy, kaominina Andranomavo, distrikan’i Mananjary, afakomaly. Maty vokatry ny daroka nahazo azy ny mpitandro filaminana roa niambina tao amin’io karieram-bolamena an’ny orinasa sinoa ao an-toerana io. “Tsy fanafihana avy any ivelany fa mpiasa ao anatin’ny toeram-pitrandrahana ihany no nisy […]

Nahatrarana rongony 30 kg : Olona telo notanana am-ponja

Lehilahy roa sy vehivavy iray niara-voasambotry ny zandarimaria tao Manjakandriana sy Ambatolampy rehefa nahatrarana rongony, afakomaly. Tratra tamin’ny toerana telo samihafa izy ireo raha toa ka mpiara-miasa ny roa. Nitondra entana niala avy any Andilamena hihazo an’Antananarivo Renivohitra ny lehilahy iray. Nanao fisavana tampoka ny zandary teny anivon’ny lalam-pirenena faharoa […]

Raim-pianakaviana nahavanon-doza: Maty notsatohany antsy ny zanany roa lahy

Maty novonoin-drainy tamin’ny antsy, ny zanany lahy 12 sy 8 taona tetsy Imerimanjaka, ny sabotsy alina lasa teo. Nikasa hamono tena izy taorian’izay, saingy tsy maty. Niady izy mivady ka tany amin’ireo ankizy no nanamparany ny hatezerany. Ankizilahy mpiray tampo, 12 sy 8 taona, maty notsatotsatohan’ny dadany niteraka azy tamin’ny antsy, […]

Mobile banking : Hanara-maso ny olan’ny Mvola ny MNDPT

Mitaky ny mangarahara tanteraka ny amin’izay mety ho anton’ny fikorontanana, mangataka tatitra ara-teknika ampa­hibemaso amin’ny Mvola ka ahitana ny antony mahatonga ny olana, ny fepetra fa­nitsiana sy fanarenana ary ny mba hisorohana ny fiverenan’ny olana. Ireo no fepetra nangatahin’ny minisitry ny Fampi­ro­boroboana ny haitao ara-ka­jy mirindra, ny paositra ary ny […]