Mois : novembre 2025

Naka an-keriny zaza 3 taona: Voasambotra ireo nahavanon-doza

Olona roa, lehilahy sy ve­hivavy niara-notanan’ny mpi­tandro filaminana hatao famotorana, nanomboka afako­maly, taorian’ny fakana an-keriny zazavavy vao telo taona monja tao Amba­toboeny. Na­la­in’ny olon-dratsy io zaza io ny 27 oktobra lasa teo. Nifa­mpitadiavan’ny fianakaviany saingy tsy hita popoka nano­mboka tamin’ny 11 ora atoandro. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny […]

Halatra moto teny Alasora : Jiolahy roa saron’ny zandary

Tratran’ny zandarimaria ny roa lahy tompon’antoka tamin’ny halatra moto teny amin’ny kaominina Alasora, afakomaly. Nitrangana halatra moto tao amin’ny fokontany Andavarangana Amboaroy, kaominina Alasora, ny 25 oktobra lasa teo. Very ka nifampitadiavan’ny tompony tamin’izany ny scooter iray marika “Cygnus”. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana […]

Andrin-jiro mamoa-doza : Vehivavy iray maty, iray hafa malemy

Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray, omaly, tetsy Ankadimbahoaka. Main’ny herinaratra amin’ny andrin-jiro teo akaikin’ny toeram-pivarotany izy. Nalemy kosa ny ilan’ny vehivavy iray, nikasa hanavotra azy. Namoy ny ainy, main’ny herinaratra tetsy amin’ny fokontany Ankadim­bahoaka Andrefana, ny ramatoa iray manodidina ny 40 taona, omaly tokony ho tamin’ ny 12 ora […]

Bisikileta – Fifaninanana afrikanina: Hiakatra an-tsehatra anio i Mohamed Houlder

Hotontosaina manomboka anio hatramin’ny 23 no­vambra ho avy izao, atsy Ke­nya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja bi­sikileta. Sam­bany eo amin’ny tantara no handray anjara amin’izany i Madagasikara. Hiakatra an-tsehatra, anio, i Mohamed Houlder Amédé, hany tokana solontenan’ny Malagasy amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity. Nilaza ny tenany fa vonona […]

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina omaly ny lanonana goavana hanomezana mari-pankasitrahana an’ireo mpilalao sy mpanazatra afrikanina. Manana solontena hofidina amin’izany i Madagasikara, dia ny Coach Rôrô, izay tafiditra anatin’ireo mpanazatra mendrika indrindra aty Afrika sy i Fely, hofidina ho anisan’ireo nampiditra baolina tsara indrindra tamin’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Araka ny fikarohana natao omaly, tao […]