Mois : novembre 2025

Teti-bola 2026 : Mitentina 26 799,7 miliara Ar ny asa hotanterahina

Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (PLFI 2026). Tafakatra hatrany amin’ny 26 799,7 miliara Ar, ny tetibola enti-manatanteraka ireo tetikasa. Misongadina ao anatin’izany ny fandaniana ataon’ny fanjakana sy ireo andry ara-toekarena. Manazava ny vola miditra, […]

INDRAY MIJERY

Miomana hiatrika ny rivodoza, amin’izao, ny ekipan’ny BNGRC. Mijery ny fametrahana ireo fitaovana hoentina mamonjy olona sy ny sakafo amin’ny toerana ahina, araka ny vinan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, izy ireo. Mitondra tantsoroka ho an’ny minisiteran’ny Mponina sy ny minisiteran’ny Fanaja­riana ny tany, amin’ny alalan’ny Apipa, koa ity […]

Ho fiatrehana ny fahavaratra : Raikitra ny asa tanamaro ao Toamasina

Amin’ny lafiny roa samy hafa. Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy tetsy amin’ny la­kandrano Andronomadio, parisela 11/42, ny asa tanamaro. Ifanohanan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, tarihin’ny minisitra Raha­rinirina Sidonie, sy ny kaominina ambonivohitr’i Toamasi­na, tarihin’ny ben’ny Tanàna, Andria­fa­no­mezantsoa Alain, ny asa. Voalohany, natao ho fanohanana ara-tsakafo sy vola ho an’ireo marefo […]

Insémination artificielle amin’ny omby : Teknisianina miisa 19 niofana

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana ho an’ireo teknisianina 19 avy amin’ny rafitra samihafa, momba ny « insémination artificielle » amin’ ny omby, eo ambany fiahian’ny tetikasa « AIEA Mag5029 » miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Food Security Résilience Project (FSRP) sy ny Fofifa-DRZVP. Nanokatra izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana […]

« PNA LTE II » 2025-2040: Haravona ny fakan-kevitra momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy

Tanterahina eny Andrainarivo ny atrikasa fandravonana ireo fakan-kevitra natao tany amin’ny faritra mahakasika ny ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona “PNA LTEII 2025-2040”. Tanjon’ny «PNAII 2025-2040” ny hamaritra ireo asa mivaingana ho an’ ny ady mahomby amin’ny fam­piasana ankizy eto Mada­gasikara. Navoitran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa […]