Mois : novembre 2025

“Festival Sagam”: Manandratra ny Salegy sega i Rayhas

Mpanakanto marolafy. Za­na­k’i Donné, mpikambana ao amin’ny tarika Randria Ernest, no tena nahafantarana an’i Rayhas Randria­manan­tena. Nanokatra ny lalany teo amin’ny fitrandrahana ny tsenan’ny zavakanto iraisam-pirenena izany, satria ankoatra ny maha mpihira sy mpitendry karazan-javamaneno azy, manan-talenta ma­nokana amin’ny fandihizana sy ny famoronana sora-dihy koa izy. Anisan’ireo voafidy hisolo tena […]

Faribolana Sandratra – « Antso laitra »: Hisokatra ny taom-piantsana 2025-2026

Hosokafana ny tolakandron’ny sabotsy 22 novambra izao ny taom-piantsana 2025-2026 ho an’ny Faribolana San­dra­tra. Amin’ny alalan’ny antsam-paribolana nampitondraina ny lohateny « Antso laitra », ao amin’ny Cercle Germano-Ma­lagasy, tohatohabaton’Antaninarenina (CGM), no hanatanterahana izany. Araka io lohateny io, tsy hanalavitra ny tontolon’ny fianarana ny lohahevitr’ireo tononkalo hohantsaina amin’io fotoana io. Mahatratra 30 ny […]

Fomban-drazana: Hanandratana ny hasin’ny vahoaka ny “Alakaosibe”

Tsinan’alakaosy, amin’ny fanandroana isa lava. Miezaka mamerina ny “Alakaosibe”, fomba natao hanandratana ny vahoaka ireo mpitana sy mamelo-maso ny fomban-drazana. Fomban-drazana fanao eo amin’ny tsinambo­lan’ny alakaosy, izany hoe, mijoro eo amin’ny vava andro alakaosy ary reniandro alakaosy ny “Alakaosibe”, raha ara-panandroana. Ara­ka ny fanazavana nomen’ireo mpandala ny fomban-drazana, izay mivondrona […]

FANTINA sy FINTINA

Nosalorana ny samboady maha loholona azy, i Bevoavy Joel. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny lanonana momba izany. Tsiahivina fa misolo ny loholona teo aloha, lasa minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ity loholona vaovao ity, manomboka izao. Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo He­rin­tsalama, fa tokony hatsahatra amin’izay ireo fitakiana […]

HCC : “Misitraka ny tombontsoan’ny filoha ireo mpanolotsaina avo”

“Ny kolonely Lucien Rabearimanana, ny kolonely Dr Marcellin Zafitosondry Ranoelson Manantenasoa, ny kolonely Thierry Rampanarivo Solofoniaina, ary ny lietnà-kolonely Gervais Andriamia­risoa no nomena ny anaram-boninahitra ho mpanolotsaina avo momba ny Fanavaozana, miaraka amin’ny lamina mifanaraka amin’izany sy ny karaman’ny filohan’ny Repoblika”. Io ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana […]