Mois : décembre 2025

OMDA : Naverina ho tale i Haja Ranjarivo

Nivaly ny fangatahan’ny sendikan’ny kanto. Nivoaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra ny alin’ny alatsinainy teo, ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha-2023-405 ary manendry an-dRanjarivo Andriami­harimanana Haja ho talen’ny Ofisy malagasy misahana ny zon’ny mpamorona, na Omda. Tsy zoviana amin’ireo mpisehatra, satria dia efa nitana ity andraikitra ity nandritra ny taona […]

Jaw’s Band – Fiderana sy fizarana : Hisy ny « Gospel Vibe Christmas » 2025

Krismasy nahaterahan’Ilay Mpamonjy. Hanatanteraka seho mifanaraka amin’izany ny Jaw’s Band. Hifantoka amin’ny fiderana sy ny fizarana, raha ny nambaran’ny mpikarakara ity andiany voalohany ity. Rehefa nomanina sy novolavolaina tao ana­tin’ny fotoana maro… Raikitra fa hotanterahina ny ny talata 24 desambra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Am­phithéâtre Sainte […]

VAOVAO TAMBATRA

Manahy sahady amin’ny voly vary ny tantsaha eto afovoan-tany manoloana ny rotsakorana misesisy. Manomboka miakatra ny rano any amin’ireo faritra manodidina an’Antananarivo izay ahina hiantraika amin’ny vokatra sy vidiny aoriana kely ao. Tombony ho an’ny ankamaroan’ny tokantrano ny rotsakorana amin’izao fotoana. Zava-misy izay manena ny fandaniana ny vola mivoaka andavanandro […]

Niomerika : Tsy mifandanja ny fisitrahana ny internet

Mivoatra ny niomerika eto Madagasikara saingy mbola vitsy ireo misitraka sy mampiasa izany, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Mitotaly 6,3 % amin’ny fi­diram-bola ankapobeny ho an’ny mpanjifa iray ny saran’ny internety 2Go eto amintsika, izany hoe, avo roa heny amin’ny vidiny aty Afrika (3,5%), raha ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena. […]