Mois : décembre 2025

Ady amin’ny herisetra: Misongadina ny ezaka vitan’ny fiarahamonim-pirenena

Tafiditra ao anatin’ny 16 andro hiadiana amin’ny herisetra ny hetsika notanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina tetsy Antaninarenina, omaly. Nisy ny fanentanana sy fanamafisana ny hetsika ataon’ny mpiantsehatra rehetra amin’ny ady amin’ny herisetra nataon’ny minisitry ny Mponina, Raharinirina Sidonie. Anisan’ny misehatra ami’izany ny fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpiara-miombon’antoka. […]

INDRAY MIJERY

Nomena fahalalana amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza ireo tanora mpilatsaka an-tsitrapo miisa 20 avy amin’ny fikambanana sy tanora ma­nana fahasembanana. Natao ho an’ireo vonona hisehatra eny anivon’ny fiarahamonina hanampy ireo mpiara-belona aminy amin’ireo loza mety hitranga ho an’ny faritra Boeny izany. Naharitra telo andro ny fiofanana. Lohahevitra nosafidina […]

Firaisana ara-nofo aloha loatra : Ilana vahaolana hisorohana ny vohoka tsy niriana

Ilaina ny fahatongavan-tsaina eo amin’ny tanora, fiarahamonina, fitondrana satria efa tsy azo lavina fa zava-misy ny firosoan’ny tanora amin’ny firaisana ara-nofo. Ilaina ny vahaolana iraisana ho an’ny tanora hisorohana ny vohoka tsy niriana, ny aretina sy ny fahasarotana eo am-piterahana. Izay no tanjon’ny adihevitra notontosaina teto Antananarivo. Nikarakara adihevitra iarahana […]

TARATRY ny KANTO

Miantso ny rehetra hanao sonia ilay “Dinan’ny Gen Z Madagasikara ireo mpanoratra. Nanomboka izany ary nanao ny fanentanana Rakotoson Michèle, Raharimanana Jean Luc ary i Johary Ravaloson, izay samy fanta-daza eo amin’ny tontolon’ny literatiora. Dina izay nangonina an-tambajotra toy ny nitondran’ny Gen Z ny tolona izany, izay mirakitra ny fiarovana […]

Fikarakaram-batana : Efa azo atao eto amintsika ny fambolena volo natoraly

Manomboka mahasarika ny lehilahy ny fambolena volo natoraly «chirurgie capillaire», teknika fampaniriana ny loha sola na ny volo mihintsana. Izany hoe, angalana ny volo ao amin’ny farahatoka ary hambolena izany any amin’ny faritra tiana hanaovana azy », hoy ny mpamorona sady tompon’ny GladTouch, Andriano­nenana Gladys. Na izany, mandalo dingana maro […]