Mois : décembre 2025

“Africa Cup 3×3”: Notoloran’ny Yas 52 000 000 Ar ny Ankoay

Noraisin’ny Yas Madaga­sikara, teny Andraharo, oma­ly, ny mpilalaon’ny Ankoay sy ireo Staff teknika ary ny mpanazatra, taorian’ny nandrombahan’i Madagasikara ny tompondakan’i Afrika basikety 3×3, sokajy lehilahy sy vehivavy. Fifaninanana notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. “Chèque cadeau” 52 000 000 Ariary no natolotry ny Yas ho […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny AS Valahara Vakinankaratra no nanolo ny toeran’ny CFFA Andoharanofotsy amin’ny fifanintsanana « Tournoi des grands élites », any Antsi­rabe. Efa nanomboka omaly ny fifaninanana. Tsiahivina fa nataon’ny mpikarakara hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL) », ity fifanintsanana ity. Ankoatra ny AS Valahara, ny Disciples FC sy ny Fosa Juniors ary […]

Tsipy kanetibe : Haverina rahampitso ny fifidianana

Taorian’ny tsy fahatanterahan’ny fifidianana ho filohan’ny ligy, taranja tsipy kanetibe, teto Analamanga sy tany Ma­tsiatra Ambony, ny sabotsy lasa teo, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tetsy Ampefiloha, omaly, Ramanandraibe Olivier Solondrazana, filohan’ny Ceni tsipy kanetibe. Noha­mafisiny fa hajaina ny lalàna velona mahakasika ny fifidianana, araka ny voarakitra ao anatin’ny sata […]

Baolina kitra : Tsy mbola nahazo ny valin-kasasarany ny Elgeco Plus

Tsy mbola tonga eo am-pelantanan’ny klioba Elgeco Plus ny vola tokony ho azony amin’ny maha tompondakan’i Madagasikara sy tompon’ny amboara nasionaly azy ireo. Raha tsiahivina, nanao pao-droa ity ekipan’Analamanga ity. Izy ihany koa no nisolo tena an’i Madagasikara teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika. Hatramin’ny omaly! Nila­za ny loharanom-baovao […]

Gen Y: “Tokony hajaina ny hetahetan’ny mpitolona”

Nanatanteraka fivoriambe tetsy Mahamasina ny mpikambana ao amin’ny Gen Y, ny sabotsy lasa teo. Mametra­ka ahiahy ireo mpikambana ma­noloana ny zava-misy ankehitriny, indrindra ny ma­hakasika ny fanovana hatao eto amin’ny firenena. “Tsy voahaja ny hetahetam-bahoaka, tsy mitovy tamin’ny fitakiana sy ny he­tahetan’ny mpitolona teny an-kianja ny zava-misy amin’izao”, hoy izy […]