Mois : décembre 2025

SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Andoharanofotsy, ny lanonam-panokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, taranja baolina kitra. Nisy ny diabe sy ny lalao ara-pirahalahiana izay nihaonan’ireo mpanazatra tamin’ ny mpanao gazety. Marihina fa hisy ny fifanintsanana ho an’ny ankizy mandritra ity taom-pilalaovana ity. Mandalo fitsaboana eny […]

Muay Thai Tournament 4 : Ady 20 eo no hitranga eny Mahamasina

Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny 21 desambra 2025 ho avy izao, ny “Muay Thaï Tourna­ment 4”, karakarain’ny GISL na ny “Grande île sports et loisirs”. Ady manodidina ny 20 eo no hitranga amin’ity andiany farany sady famaranana lehibe ity, raha ny fanazavan’ny Maître Razanajatovo Gildas. Ho tazana avokoa […]

Taranja tolona eny anivon’ny sekoly : Nahatratra 200 mahery ireo mpianatra nifaninana

Fahombiazana ny andiany voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena an-tsekoly ho an’ny taranja tolona. Navitrika ireo mpianatra tamin’ny fandraisana anjara. Azo antoka ny ho mpandimby ireo zoky, ary mety hanana ekipam-pirenena matanjaka i Madagasikara atsy ho atsy. Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Ankoay Anko­rondrano, ny fifanintsanana nasionaly amin’ny taranja to­lona, […]

Toetry ny andro : Mbola hanorana eto afovoantany

Hahazo vahana hatrany, amin’ny ankapobeny, ny volonandro fahavaratra hatramin’ ny fisasahan’ny herinandro. Ny varatraza malefaka kosa no handrafitra ny toetry ny andro aorian’izay. Hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka amin’ny ankapobeny ho an’ny afovoantany, ny faritra avaratra sy atsina­nan’ny Nosy, hatramin’ny alakamisy, indrindra ny tolakandro. Tombanana hikisaka any amin’ny ilany afovoany andrefan’ny […]

hiatrehina ny fadimbolana: Hofanina hanjaitra seriveta azo sasana ny vehivavy

Vehivavy tanora sy renim-pianakaviana maro, ahitana olona manana fahasembanana, no manaraka fiofanana momba ny fanjairana seriveta azo sasana etsy amin’ny foibem-piofanana arakasa etsy Tsimbazaza. “Tafiditra ao anatin’ny hetsika 16 andro ho an’ny fanentanana ho an’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy izao fiofanana izao”, hoy ny tale […]