Tanterahina rahampitso ny varavarana misokatra ho fankalazana ny faha-50 taonan’ny CHU-JRA, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva, eny an-toerana. Hisy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana, toy ny fizahana sy fitsaboana maso, fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy fanomezana torohevitra samihafa ary fampahafatarana ny sampam-pitsaboana misy ao amin’ny CHU-JRA mandritra […]
Mois : décembre 2025
Fahasalamam-bahoaka ao Vatomandry : Namoaka mpampivelona sy mpitsabo mpanampy 69 ny Ispava
Hanampy isa ireo efa am-perinasa ny mpiofana nahavita fianarana ho rasazy sy paramédicaux, tao Vatomandry. Lanonam-panjakana manana ny maha izy azy na tsy natrehin’ny solontenam-panjakana avy amin’ny faritra Atsinanana sy ny prefektioran’i Toamasina aza ny famoahana amin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro lasa teo, ireo mpiofana 69 tao amin’ny sekoly Institut supérieur […]
VAOVAO TAMBATRA
Hafainganina ny fanarenana ny tohodrano any Sahamaloto Amparafaravola. Manondraka velaran-tany 10 000 ha izy ity raha vita, izay tena antoky ny fambolem-bary any an-toerana. Anisan’ny vahaolana maika nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Rasatarimanana José Nirina, izany, mba hitsinjovana ny tantsaha, sady hiatrehina ny taom-pambolena 2025-2026 izay tena ao anatiny […]
Olympia Tanjombato : Tranombarotra lehibe indrindra eto Madagasikara
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, nanomboka ny sabotsy teo, ny Olympia eny Tanjombato. Tranombarotra ivondronan’ireo Malagasy mpandraharaha sy vahiny izay midadasika amina velarana 16 800 m². Goavana sy manara-penitra tanteraka ny fotodrafitrasa, ahitana toeram-piantsonan’ny fiara misy rihana dimy izay mahazaka fiara hatrany amin’ny 240 ny Olympia. Mbola izy ihany koa no […]
Fikarohana momba ny vary : Hizara ny fahaiza-manaony ny Japoney
Hanolotra ny traikefany sy ny fahaiza-manao ao anatin’ny fikarohana momba ny vary eto amintsika ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney. Hiara-miasa akaiky amin’ireo mpisehatra samihafa ireo teratany vahiny ka tanjona ny hanatsarana sy hampiroborobo ny vokatra eto amintsika. Araka izany, hiara-hisalahy amin’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Fofifa ireo japoney. Tafiditra ao anatin’izany […]




