Mois : décembre 2025

Amboasary Atsimo : Fambolena taretra amin’ny dongom-pasika 243 ha

Paikady hiarovana amin’ny fikisahana sy fitomboan’ny dongom-pasika ny fambolena taretra eo amboniny. Mahatratra 243 ha ny velaran-tany efa voavoly any amin’ny kaominina Tanandava, distrika Amboasary Atsimo. Miasa any amin’ny faritra Androy, Anôsy ary Atsimo Andrefana ny tetikasa Mionjo. Anisan’ny ifantohany ny mitondra vahaolana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Satria, mirongatra any […]

TARATRY ny KANTO

Nikatona tanteraka ny “Madagaslam Festival 2025”. Ankoatra ireo ny fampahafantarana an’i Ma Fia, izay tompondakan’i Madagasikara, nandritra ny “Slam national” andiany faha-16, efa fantatra koa ireo mpandresy tamin’ny sokajy hafa. I Mariah Danielle teo amin’ ny sokajy “Slam media kids”, i Sedra nandresy tao amin’ ny sokajy “Slam Media open”, […]

Fizarana fahalalana amin’ny kolontsaina : Mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy

Mbola tena mafy ny fifandresen-dahatra! Mila omen-kasina ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina ma­lagasy. Tsy izay, anefa, ny zava-mitranga fa mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy. « Izahay te hianatra mitendry valiha, milalao fanorona, hahay sikidy sy fanandroana, sns. Saingy, misy sarany avokoa ny fianarana ireny… Tsy aleo ve atao maimaimpoana », […]

Andrarezin’ny vazo miteny : Hisy ny “Pao-tsatroka ho an’Ifanihy”

Tsy misy adihevitra, fa Ifanihy no anarana akaiky indrindra raha vao hoe “vazo miteny”. Misy ireo zandry novolavolainy, hanolotra pao-tsatroka ho an’ity mpanakanto ity. “Omeko tsy omeko”, “Lemena”, “Mpia­san’ny voirie”, sns. Tany amin’ny fiandohan’ny taom-polo 80 tany no efa nampisongadina ireo hira ireo. Mpamorona iray, mahay milalao ny teny hifanaraka […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hanapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoha teo aloha, Rajoelina, ny filoham-panjakana amin’izao fotoana izao, araka ny fanehoan-kevitry ny eo anivon’ny Panorama. « Mametraka ny drafitry ny fanovana notakiana hatramin’izay izy ireo amin’izany. Tsy maintsy hirosoana ny fanatsarana ny tokotanim-pifidianana», hoy izy ireo. Hentitra ny minisitry ny Fanajariana ny tany, ny Jly Lylyson René […]