Mois : décembre 2025

Basikety-“Africa Cup 3×3” : Voatazon’ny Ankoay, lahy sy vavy, ny anaram-boninahitra

Voatazon’i Madagasikara ny anaram-boninahitraho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, taranja basikety lalaovin’olon-telo, teo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika. Fifaninanana natao teto Madagasikara, nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Fitaintainana hatramin’ny farany ny lalao famaranana. Isa ety dia ety hatrany ny teny amin’ny solaitrabe, na ny so­kajy lehilahy na ny […]

INDRAY MIJERY

Hisy varavarana misokatra hanaovana tolotra ara-pahasalamana ny alarobia izao, ao amin’ny CHU-JRA. Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny hopitaly izany.Hisy ny fizahana sy fitsaboana maso, ny aretina mpahazo ny taolana sy ny vanin-taolana, ny famantarana ny sokajin-dra, ny fitiliana ny faingon-tsela… Notokanana ny Oniversiten’i Vakinankaratra ao Vatofotsy Antsirabe. Hisy […]

Lion’s Sight First : Nanao fitiliana maimaimpoana

Tontosa tetsy amin’ny HJRA, ny sabotsy teo, ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fikambanana Lions Sight First Madagascar (LSFM). Noma­rihina tamin’ny hetsika ara-pahalasamana maimaimpoana ho an’ny mponina eto Antananarivo izany. Nahitana ny fijerena maso, ny fitsapana tosidra, diabeta, fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza. Niampy ny homamiadana […]

Fandraisana marary: Nankatoavina ny fomba fiasa iraisana

Ny aretina tazomoka, ny aretin’ny taovam-pisefoana, ny fivalanan-drano, ny gripa ary ny fiakaran’ny tosidra matetika no hanatonan’ny olona toeram-pitsaboana, manerana an’i Madagasikara. Mahazo ny sokajin-taona rehetra ireo aretina ireo. Nanaovana fankatoavana teknika ny fomba fiasa iraisana momba ny fandraisana an-tanana ny marary amin’ireo sokajin’aretina voatanisa ireo. Natao ny faran’ny herinandro […]

Fampianarana ambony: Mahaleo tena amin’ny angovo ny Oniversiten’Antananarivo

Manomboka izao, mandeha tsy miato ny jiro eny amin’ny Oniversiten’Ankatso. Efa mahaleo tena amin’io sehatra io ny eny an-toerana. Tsy mahakasika ny fampianarana ambony intsony ny delestazy. Ny filohan’ny Fana­vao­zana ny Repoblika, Ran­drianirina Michaël, mihitsy no nitondra avy hatrany ny vahaolana momba ny herinaratra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny faran’ny herinandro […]