Dingana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny niomerika no vitan’ny Orange Madagascar tamin’ny alalan’ny fahavitan’ny tambajotra « Fibre optique » Tana-Mahajanga, izay mirefy 558 km. Fotodrafitrasa vaovao natao hanamafy ny tambajotram-pifandraisana, hiantohana ary hanomezana tolotra tsy ankiato ny mpanjifa an-tapitrisa izany. Naharitra valo volana ny asa ka miisa 2 500 ireo olona niara-nisalahy taorian’ny fanadihadiana […]
Mois : décembre 2025
« Visited » : Tambajotra sosialy voalohany misehatra amin’ny fizahantany
Voalohany eto Madagasikara. Vovonana mitondra fanavaozana eo amin’ny sehatry ny fizahantany amin’ny alalan’ny fampiasana ny teknolojia avo lenta ny « Visited », tambajotra sosialy vita malagasy. «Manampy amin’ny fijerena ny hakanton’ny Nosy sy hamaly ny fanontaniana rehetra manitikitika ny tsirairay ny faharanitan-tsaina artifisialy (Visited AI) miaraka aminy», hoy i Alpha, mpamorona ny tetikasa. […]
Sport Rugby – “XXL Top 12”: Nosahiranin’ny USA Ankadifotsy ny FTM Manjakaray
Tontosa omaly, teo amin’ny Kianja Makis, ny andro fahefatra fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “XXL Top 12”. Niondrika teo anatrehan’ny FTM Manjakaray, tamin’ny isa 17 no ho 15, ny USA Ankadifotsy. Niady tanteraka hatramin’ny farany ny fifanandrinan’ny roa tonta. Raha hiverenana ny fihaonana omaly, ny ekipa avy etsy […]
Baolina kitra – «Mondial 2026»: Hanala vela amin’ny Lion de la Teranga Sénégal i France
Natao ny zoma teo, tao Kennedy Center Whashington Etazonia, ny antsapaka ireo firenena 48 hanao «Mondial 2026», taranja baolina kitra. Tafara-bondrona ny Lion de la Téranga Sénégal sy i France. Hanala vela amin’ity ny frantsay. Raha tsiahivina, resin’i Sénégal, 1 no ho 0, izy ireo, nandritra ny “Mondial 2002” tany […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao voasarin’ Ambohijafy
Ny taona ity no hivalona fa ny savorovoro eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena tsy mifarana fa toa tantara mitohy, tsy hita fiafarana. Hitrangan’izany ny tsipy kanetibe, ny baolina kitra sy ny atletisma, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Fantatra fa tsy raikitra indray ny fanavaozana ny mpikambana eo anivon’ny tsipy kanetibe noho […]




