Mois : décembre 2025

Mandripaka ny varatra : Lehilahy nilatsaham-potaka teo ambony bisikileta

Niongana teny ambony bisikileta notaingenany ny lehilahy iray, afakomaly. Nilatsaham-baratra teny an-dalana izy, tao Ihazomay, Ankadinondry. Tafakatra valo ny olona matin’ny varatra tao anatin’ny telo herinandro. Namoy ny ainy teo am-pitaingenana bisikleta ny raim-pianakaviana iray, tao amin’ny fokontany Ihazomay Atsimo, kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrika Tsiroanomandidy, afakomaly. Nikasa hamonjy fo­diana io […]

Mpampianatra voalaza ho mamo: Nodisoin’ny fikambanan’ny mpampianatra tany Betroka

Nandalo sy nitsidika ny mpampianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra tany amin’ny distrikan’i Be­troka ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena ny faran’ny herinandro lasa teo. Nano­trona izany ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana. Nikasa hangataka fitenenana ny mpampianatra iray tamin’io fotoana nifampiresahana teo amin’ny roa tonta io. Saingy noraran’ny solombavambahoaka tsy hiteny anefa […]

Firosoana amin’ny fanavaozana : Vonona amin’ny fikaonandoha ny Adopt

Dinika fiomanana. Na­nantotosa fihaonana sy dinika savaranonando, tetsy Mangarano, Toamasina, ny «Association des origi­naires de la province de Toamasina – Adopt». Nifa­nakalo hevitra sy nanangona hevitra tombanana hitondra lalàna sy rafitra vaovao atolotra amin’ny fihaonambem-pirenena izy ireo tamin’izany. Hametrahana lalantsaina hifampitondrana eto amin’ny firenena izany ka hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena, iarahana […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho tohizana ny asa fanamboarana ny arabe migodana, hatreo amin’ny PK 80. Ezahina tsy hisy intsony ny tanimbary hokitihina sy hototofana. Hitohy ny fandoavana ny onitra ho an’ireo mponina voakasiky ny fanamboarana. Nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, Razafindrianarivo Henri Jacob, toromarika koa ny orinasa Samcrete hifampidinika hatrany amin’ny teknisianin’ny minisitera […]