Mois : décembre 2025

CHU Anosiala : Nahazo fitaovana hari­fomba fitarafana maso

Herinandro ny faharetan’ny hetsika fandidiana maso maimaimpoana natao teny amin’ny hopitaly Anosiala. Ireo olona nisy katarakta no nisitraka izany ary nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Pneumo-Aide nahafahana nanatanteraka izany. Teknika fandidiana avo lenta « phacoémulsification » no nampiasaina, izay efa manaraka ny teknolojia maoderina. Marary 65 no nisitraka izany maimaimpoana izany ary […]

Homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza : Hatomboka amin’ny alatsinainy izao ny vaksiny fiarovana

Homamiadana fahefatra mpahazo ny vehivavy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Isan-taona, 45 amin’ny vehivavy 100 000 ny tranga vaovao miseho ka ny fanaovana vaksiny anti-HPV alohan’ny firaisana ara-nofo voalohany no fiarovana tsara indrindra. Fisorohana mahomby in­drindra hiarovana ny za­tovovavy amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza any aoriana, ny fanaovam-baksiny hisorohana ny fihanaky ny aretin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Handray anjara amin’ny «Oscars», andiany faha-98, ilay horonantsary «Disco Afrika». Sanganasan’i Luck Razanajaona ary novokarin’ny Africamadavibe Production izy ity, izay efa nandray anjara tamina «festival» maro maneran-tany momba ny sarimihetsika. Rariny raha toa ka voafantin’ny komity nasionaly handray anjara amin’ity hetsika goavana, hankasitrahana ny sarimihetsika maneran-tany ity, ny sanganasany. Sambany […]

Fanomezan-kasina ny fototra : Mila hatevenina amin’ny lalàna ny fifanajana

Iray amin’ireo tetika nentin’ny vahiny hamotehana ny fototra maha firenena ny firenena ny fampanjakana ny gaboraraka. Taona maro be no niaina tao anatin’izany ny Malagasy hany ka very ny fifanajana. Very ny fahaizana sy fahalalana ny maha izy ny tena, sns. Tranga izay niteraka tsy fahalalam-pomba. Ho fanomezan-kasina ny fototra. […]

Concert Classique de midi : Hiaka-tsehatra ny Madagascar Orchestra

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-164 ny «Concert classique de midi», karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Hanatanteraka ity fampisehoana an-tsehatra ity ny Madagascar Orchestra, ny talata 16 desambra izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, etsy amin’ny IFM Analakely. Hahazo ampaham-potoana lehibe ireo hira na feon-kira miresaka momba ny fahatongavan’ny Mpamonjy na ny hiran’ny […]