Nihatra nanomboka ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo ny vidin-tsolika vaovao mandritra ity volana desambra ity, raha ny navoakan’ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo (OMH). Araka izany, niakatra 110 Ar raha oharina ny vidiny teo aloha ny lasantsy sy gazoala, nahitam-piakarany 90Ar ihany koa ny vidin’ny solika fandrehitra (pétrole lampant). […]
Mois : décembre 2025
Vokatra fanondrana: Harenina ny sehatry ny lavanila
Nitondra fanazavana momba ny fanavaozana ny seha-pihariana lavanila ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana, nandritra ny fihaonany tamin’ireo loholon’i Madagasikara teny amin’ny Lapan’Anosikely. Efa nisy, hoy izy, ny atrikasa nihainoana ny mpisehatra rehetra tany Sambava. Natsangana ihany koa ny komity teknika iraisan’ny minisitera handinika ny vahaolana maharitra […]
CEO Summit : Vina ara-toekarena vaovao ho an’ny taona 2026
Hatao ny 9 sy 10 avrily 2026 ho avy izao, eto Antananarivo, ny fihaonambe ara-toekarena, andiany faharoa. Fotoana hiompana amin’ny lafiny rehetra iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka, hamaritana tondrozotra vaovao. Natao ny 4 desambra 2025 teo, teto Antananarivo, ny fanomanana ny fihaonana an-tampony, andiany faharoa, CEO Summit. Fihaonambe iraisam-pirenena mamondrona ireo mpandraharaha […]
INDRAY MIJERY
Misokatra ho an’ny fikarakarana ny marary ny Ostie mpiandry raharaha eny Anosibe, Ambohimanarina, Tanjombato ary Andranomena, amin’ity faran’ny herinandro ity. Mandray ireo vonjy aina kosa ny Ostie Andranomena, Tanjombato ary Ambohimanarina, izay manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny12 ora atoandro. Any Ambovombe no hanatanterahana ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fiaraha-miasa […]
Fahasalamana ara-pananahana : Kely dia miroso amin’ny firaisana ara-nofo ny ankizy
Voalazan’ny fanadihadiana fa mihakely hatrany ny salan-taonan’ny tanora miroso amin’ny firaisana ara-nofo. Misy latsaky ny 15 taona dia efa misy manao izany sahady, na lahy na vavy. Tsy ampy fahalalana amin’ny fiarovan-tena na amin’ny vohoka tsy iriana na amin’ny fifindran’ny aretin’ny taovam-pananahana vokatry ny firaisana anefa izy ireo fa entin’ny […]




