Mois : décembre 2025

TSELATRA

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora ny lehilahy, 42 taona, mpamilin’ny fiara kely peugeot 405. Izay nandona ankizy mpianatra tetsy Soavimasoandro, lalana eny Tsarasoatra, ny 1 desambra hariva lasa teo. Niampita teo amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ireo ankizy ireo no nofoah’io mpamily io. Ny 3 febroary 2026 hoavy izao, ny fotoam-pitsarana […]

Fiara nifandona : Olona 14 naratra tetsy Andohatapenaka

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy amin’ny Digue Andohatapenaka, oma­ly atoandro tamin’ny 11 ora sy sasany. Nifandona tamin’ny fiara fitateram-bahoaka zotra D nifanena taminy, ny fiara 4*4 marika Galloper iray. Nandeha mafy avy any amin’ny Art malagasy Ambohitri­manjaka hi­hazo an’Antanana­rivo io fiara namoa-doza io. Tsy nahatana familiana ny mpamily ka nifatratra sy […]

Soanierana Ivongo: Lehilahy naiditra am-ponja

Nentina teo anatrehan’ny fampanoavana, notanana vonjimaika any am-ponja omaly, ny lehilahy iray mpivarotra zava-mahadomelina tao Soanierana Ivongo. Nitoroka teny anivon’ny biraon’ny polisy miasa ao an-toerana ny olon-tsotra iray momba ny fisiana lehilahy mihazona sakaosy feno rongony. Nitsirika io olona voalaza io teny amin’ny lalan’i Menantany amin’ny RN5, ny mpitandro filaminana. […]

Fanafihana mitam-piadiana : Jiolahy roa maty voatifitra, dimy azo sambo-belona

Natao fanadihadiana omaly, ireo jiolahy dimy voasambotry ny polisim-pirenena tao Ambatondrazaka. Roa lahy hafa maty voatifitra. Fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana sady mpanao herisetra ravan’ny polisim-pirenena, tao Ambatondra­za­ka, ny alakamisy 4 desambra lasa teo. Nirongatra ny asan-jiolahy tao amin’io distrika io. Nandray andraikitra ny ekipan’ny polisim-pirenena mi­asa ao amin’ny sampandraharahan’ny Fikarohana […]