Mois : décembre 2025

DG ACM: fitaterana ana habakabaka matanjaka

Natao ny 26 desambra teo ny famindram-pitantanana ho an’ny tale jeneraly vaovao, hitantana ny Antokondran­draha­raha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily eto Madagasikara (ACM), Ra­kotoarisoa Alban. Nam­ba­rany fa «laharam-pahamehana ny hananana fitaterana ana habakabaka matanjaka amin’ izao tontolo izao, sady hanorenana hoavy matanjaka. Nohamafisiny fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny habakabak’i […]

Seranam-piaramanidina: famatsiam-bola 15 miliara Ar hiasan’ny Adema

Tsy nahazo ny vola tokony ho anjarany ny orinasam-panjakana Adema efa an-taona maro. Hamatsy vola azy ny fanjakana foibe entina hampandehanana ny asa fitantanana sy ny fikojakojana. Mitantana ny seranam-piaramanidina rehetra eto Madagasikara ny orinasam-panjakana Adema S.A, afa-tsy ny eny Ivato An­ta­nanarivo sy Nosy Be. Tsy na­rotsaka tany aminy anefa […]

Tompondaka maneran-tany: solontenan’ny Malagasy Rakotomaharo Fy

Tanterahina any Doha Qatar, nanomboka omaly hatra­min’ny 30 desambra izao, ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany “Fide”, amin’ny taranja échecs (rapide sy Blitz). Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa hanana solontena. Ilay laharana voalohany, Malagasy milaravinahitra any ive­lany, Rakotomaharo Fy Antenaina, no hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Anisan’ny tafiditra amin’ny fifaninanana […]