Mois : décembre 2025

Bono tany France: klioba telo nanaovany fitsapana

Tafaverina an-tanindra­zana, ny alakamisy 25 desambra teo, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra, Rabearivelo Bono Stephano, rehefa avy nanao fitsapana tany France, nandritry ny 1 volana. Araka ny tati-baovao nomen’­Andri­atsima Faneva Ima, vy nahitana sy angady nananana izany ary nikarakara azy tany an-toerana, klioba telo no nanaovany sedra, dia ny FC […]

Kitra – « Grand Match de Defi »: vonona hanohitra ireo mpila­ravinahitra ny Disciples FC

Fararanon’ny baolina kitra ny any Toamasina, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hotanterahina ny alahady izao, ilay fihaonana fifanandrinana eo amin’ny Disciple FC Vakinankaratra sy ireo mpilalao milaravinahitra avy atsy La Réunion sy France ary i Suisse. Ankoatra ny baolina kitra, hisy asa sosialy hataon’izy ireo. J-1, amin’ilay «Grand match de defi », […]

Efa samy seriny avokoa

Mipetraka tsikelikely amin’ny toerany ireo olona lazaina fa tompon’ny tolona. Misy ny mpamatsy vola, misy ny tompon-kevitra izay nisongona ireo milaza fa Gen Z. Mandeha tsara aloha ny fizaran-tseza sy fanovana olona. Ny fanovan-drafitra sisa andrasana. Lojika rahateo raha ny olona aloha no apetraka. Iza tokoa no hiandraikitra ny fanovan-drafitra […]

Antenimierampirenena: “Fitoriana telo ny mahakasika ny filoha teo aloha”

“Fitoriana telo no napetraka eny anivon’ny Antenimie­ram­pirenena hahazoana mandefa ny raharaha eny amin’ny Fi­tsarana avo (HCJ).” Io ny fa­na­zavan’ny minisitry ny Fitsa­rana, i Ernaivo Fanirisoa, nivahiny tao amin’ny televiziona TV 5 Monde, ny fiandohan’ny herinandro, famampitam-baovao voaray omaly, momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Ny Antenimieram­pi­re­nena no mandinika ny […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré: “Hampandray andraikitra marina antsika ny fanavaozana”

Nitondra ny hafatra noho ny fahatongavan’ny Noely ny arsevekan’i Toamasina, ny kardialy Tsarahazana Désiré. Anisan’ny nasiany teny ny momba ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny fanavaozana. Tsy lany hamamiana ny arahaba sy ny firarian-tsoa ary ny hafatra… “Rariana àry ny fanavaozana kasaintsika hatao ity hampandray andraikitra marina tokoa antsika eto […]