Tontosa ny 20 sy 21 desambra lasa teo, tany Manjakandriana, ny lalao Fihezama 2025. Nahatratra 250 teo ny mpandray anjara nandritra izany ary efa tena nahafa-po, raha ny nambaran’ny filohan’ny Fihezama (Fitaizana ny herin’ny zatovo malagasy), Rakotovao Jacky Raymond. Nahitana lalao maro izany, ka anisany ny lalao baolina kitra, basikety, […]
Mois : décembre 2025
MTT 4-Razanajatovo Carine: “Mahavelombolo ny fivoaran’ny Muay Thai malagasy”
Nahitana taratra ny fiakaran’ny lentan’ny taranja Muay Thai eto Madagasikara ny fifaninanana “Muay Thai Tournament”, andiany fahefatra, notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’ny mpikarakara, Razanajatovo Carine, filohan’ny klioban’ny GISL (Grande île sport et loisirs) fa nampitolagaga avokoa ny ady rehetra nitranga nandritra ity famaranana lehibe […]
Lanja miakatra
Arahaba soa, arahaba tsara… Nahatratra sy nahavita ny Krismasy na Noely. Fety kristianina io. Na izany aza, fetin’izao tontolo izao koa: natsahatra, ohatra, ny ady, navitrana ny fihavanana, natao ny fifanampiana… Mby aiza? Mandalo ihany, na fombafomba, na fisehoana… Na ahoana na ahoana, hafa ihany ny miaina amin’izay isehoany sy […]
Tsy fanatrehana fivoriana: nesorina ny loholona Ravalomanana sy Lalatiana R.
Nesorina tsy ho loholon’i Madagasikara ny Jly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana, araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), afakomaly. Raha ny And. 8 amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimerandoholona: miala avy hatrany izay tsy manatrika ny fivoriana, ka tsy mametraka fanazavana na taratasy fialan-tsiny ny antony rehefa […]
Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka : « Aoka isika hahay haka lesona amin’ny tantara »
Nampita hafatra tahaka ny fanaony, isan-taona amin’ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao tahaka izao, ny eo anivon’ ny fivondronamben’ny Eveka (Fem). Nambaran’ny filohan’ny Fem, ny evekan’i Morondava, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, fa ao anatin’ny krizy amin’ny toekarena sy sosialy, politika ary tontolo iainana isika izao. Nanteriny fa anisan’ny nahatonga […]




