Paikady mahomby hampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny niomerika. Tanjona ny hanapariahana azy hatrany ambanivohitra. Anisan’ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana ny hanitarana ny tetikasa Rural Rapid Transformation/ Smart Village, mikendry ny fisitrahan’ny tontolo ambanivohitra ny niomerika. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy […]
Mois : janvier 2026
FANTINA sy FINTINA
Mampanahy sy mampatahotra ny fiainam-pirenena sy ny hoavin’ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny zava-miseho. Io ny nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafiton’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny “Raharaha depiote Sahondrarimalala Marie Michelle”. Mampieritreritra raha toy izao ny fomba andraisana sy iampangana ny olona […]
Vondrona Vato : Handray anjara amin’ny raharaham-pirenena
Ho fiarovana ny tolona izay natao, nanao fanambarana tetsy Tsiadana, omaly, ny tanora nitolona rehetra teny an-kianja fa hanambatra ny hery ka hanangana ny vondrona Antoky ny tolona ho an’ny olom-pirenena (Vato). Araka ny fanazavana nataon’izy ireo, omaly, sehatra iray mampivondrona ireo tanora nitolona rehetra ny Vato. Tanjon’ity vondron-kery ity […]
Mendri-piderana
Migadra aloha ingahy bekintana iny. Migadra ihany koa ny tanan-kavanan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Any mandritra ny fotoana tsy mbola hay satria miandry datim-pitsarana sy fivoaran’ny raharaha politika. Fanohintohinana ny fiandrianan’ny fanjakana sy fampirisihana fanakorontanana moa no vesatra. Tsy maintsy misalotra ny sata gadra politika indray izy ireo. […]
Ambasadaoro Claire Pierangelo : “Hijery ny tombontsoan’i Madagasikara mandrakariva i Etazonia”
Tonga nanao veloma ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoron’i Etazonia niasa sy nonina teto Madagasikara, i Claire A. Pierangelo. Tsy nisy nipika ny resaky ny roa tonta. Na izany aza, nambarany tamin’ny mpanao gazety fa: “mbola hijanona ho […]




