Mois : janvier 2026

Fianarantsoa : Lehilahy hita faty nifato-tenda

Raim-pianakaviana iray hita faty tao anaty lobolobo tao amin’ny tanànan’Isaha Atsimo, kaominina Fianaran­tsoa, ny marain’ny alarobia 14 desambra teo, tokony ho tamin’ny 9 ora. Mpanadio teny amin’ny toerana manodidina no nahatsikaritra tranga hafahafa. Nahatazana olona tao anaty kirihitra izy ireo kanefa tsy nihetsika intsony io olona io. Nanamarina ny zava-nisy […]

Ambodivona : Jiolahy lavon’ny polisy

Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny Ambodivona, lavon’ny bala, ny jiolahy iray, afakomaly alina. Malaza ratsy amin’ny fisiana mpanao sinto-mahery, mpanendaka sy asan-jiolahy eny amin’io faritra io ka nanao hetsika manokana ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny CUI sy ny UIR. Nahare antso vonjy tampoka tamin’ny olona nandalo izy ireo. Raikitra […]

Nitazona basy tsy ara-dalàna : Lehilahy roa voasambotry ny polisy tetsy Anosizato

Notanana eny anivon’ny kaomisaria foibe Tsaralalàna ireo roa lahy tratra nihazona basy tsy ara-dalàna tetsy Anosizato, omaly. Tsy nahitana taratasy manamarina ny fahafahana mihazona sy mampiasa izany teny amin’izy ireo. Anton’ny fisamborana. Nosamborin’ny polisim-pirenena avy ao amin’ ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) omaly, tamin’ny 11 ora atoandro, tetsy Anosizato, ny […]