Mois : janvier 2026

Toetr’andro : Mihaodihaody ny rivodoza

Miforona any amin’ny ranomasimbe Indianina ilay rivo­doza Dudzai. Omaly, mbola any amin’ny 3 100 km atsina­nan’ny morontsirak’I Madagasikara no nisy azy. Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ity rivodoza ity ao anatin’ny herinandro. Arahi-maso hatrany nefa ny […]

Valanaretina Mpox : Miroso amin’ny fanafarana vaksiny ny fanjakana

Efa maro ireo miandry vaksiny miaro amin’ny aretina Mpox. Fantatra izao fa efa an-dalam-panafarana izany ny fanjakana. Fantatra nandritra ny tatitra nataon’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tao amin’ny TVM fa efa miroso amin’ny fanafarana ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Mpox ny fanjakana amin’izao fotoana. Hatao laharam-pahamehana hisitraka izany ireo sokajin’olona marefo. […]

“Antson’ny tontolo miaina” ; Fampirantiana ny fitiavana ny hazo

“Dendrophile”, entina hilazana ireo olona mpankafy ny hazo sy ny tontolony. Lohahe­vitra iompanan’ny fampiran­tiana “Antson’ny tontolo miaina” amin’ity andiany fahatelo ity ihany koa izany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, notontosaina omaly, tetsy amin’ny Zone Vital Ankoron­drano, toerana handray ny fampirantiana fototra, manomboka ny 17 janoary hatramin’ ny 6 febroary izao. […]

Mitaraina ny ray aman-dreny: Lafo ny saran’ny fianarana zavamaneno

Eo ho eo amin’ny 50 000 Ar isam-bolana ny saran’ny fianarana mitendry zavamaneno eto Madagasikara. « La­fobe » ho an’ny ankamaroan’ ny ray aman-dreny… Antony roa no miteraka io fomba fijery io. Miainga amin’ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao va­nim-potoana izao ny fampitahana ataon-dry zareo. Faha­roa, tsy mijery ireo soa lehibe ho an’ny zanany, hoentin’ny […]

Volley-Analamanga : Hatao ny sabotsy izao ny “Super Coupe”

Hotanterahina ny sabotsy 17 janoary izao, eny amin’ny Kianjan’Itaosy, ny fifanina­nana “Super Coupe”, taranja Volley-ball, karakarain’ny li­gin’Ana­lamanga. Fifani­na­nana hano­m­­bohana ny taom-pilalaovana 2026 ho an’Ana­lamanga ity hatao ity. Ny sokajy vehivavy no hifaninana amin’io sabotsy io. Hahitana lalao eo amin’ny sokajy la­tsaky ny 14 taona, latsaky ny 16 taona ary ny […]