Mois : janvier 2026

SEHATRA TSY MIANKINA : Nifanakalo hevitra tamin’ny fanjakana

Notanterahina omaly, tetsy Mahamasina, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy mian­kina. Dinika natao handraisana ny hevitr’ireo mpandraharaha entina hanatsarana ny sehatra misy azy. “Fotoana hamoaboasana miaraka ireo sakana sy olana mitambesatra amin’ ny fampandrosoana ny indostria, ny orinasa, ny fandraharahana toy ny olan’ny famo­karana, ny angovo, ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Haharitra hatramin’ny 16 janoary ny dinika iarahan’ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé sy ny solontena maharitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI), Eklou Kodjovi. Hifantoka amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ny roa tonta ny resaka. Ao anatin’izany ny fanombanana ny fampidiram-bola, ny fampiasam-bola ary ny toe-draharaha ara-toekarena. Horesahina […]

Fanondranana drakaka: Orinasa malagasy roa nisantatra ny andiany I

Natomboka ny 12 janoary teo ny fanondranana drakaka velona andiany voalohany ho fanokafana ny fotoam-pitrandrahana. Voafantina sy nisantatra izany ny orinasa malagasy miisa roa. Nilaza ireo mpandraharaha fa “nihamora sy mala­laka ny fikarakarana ireo antontan-taratasy takina amin’ny fanondranana raha toa ka nananosarotra izany nandritra ny taona maro”. Araka izany, manantena […]

Fanondranana entana : Hisitraka ny Agoa mandritra ny telo taona i Madagasikara

Hitohy hatramin’ny taona 2028 ny fisitrahan’i Madagasikara ny Agoa, taorian’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina. Lany tamin’ny latsabato nataon’ny solombavambahoaka amerikanina tsy nasiam-panitsiana ny hisitrahan’i Madagasikara ny “Afri­can Growth and Opportunity Act” (Agoa) mandritra ny telo taona indray. Izany hoe, fifanarahana ara-barotra manome fahafahana tsy misy haba ny fanondranana vokatra avy […]