Manao antso ny tokony hamoahana sy hamotsorana ny solombavam-bahoaka voafidy tao Fianaratsoa I, Sahondrarimalala Marie Michelle ireo andiam-behivavy tetsy Anosizato afakomaly. Nambaran’izy ireo fa tsy manara-dalàna ny fisamborana azy. « Nahavita tsara ny asany, nandritra ny maha minisitry ny Fanabeazam-pirenena azy teo aloha ity solombavahoaka ity », hoy hatrany ireo vehivavy ireo. […]
Mois : janvier 2026
Ahina ho namono tena : Tovolahy hita faty nihantona tamin’ny hazo
Tovolahy iray 29 taona hita faty nihantona tamin’ny tady, teo amin’ny hazo iray, teo amoron-dranomasina akaikin’ny Jardin d’amour, Mahajanga, omaly, tamin’ny 8 ora sy sasany maraina. Olona mipetraka teo amin’ny manodidina no nahita io zava-doza io ka nampandre ny tomponandraikitra avy hatrany. Nampandrenesina ny sefo fokontany sy ny mpitandro filaminana. […]
Distrikan’i Mandritsara: Mpivarotra omby hita faty
Notsatohan’ny tsy valahara tamin’ny zava-maranitra teo amin’ny lohany ny raim-pianakaviana iray mpivarotra omby tao amin’ny fokontany Anandrobato, kaominina Ambalakirajy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Hita faty tao anatin’ny renirano Mangarahara tsy lavitry ny ivontoeram-panofanana iray ao an-toerana io lehilahy io. Nakarin’ny fokonolona an-tanety ny nofo mangatsiakany. Nidina ifotony ny mpitandro filaminana sy […]
Naolan’olona tsy fantatra: Zaza tsy nahatsiaro tena 20 andro, namoy ny ainy
Namoy ny ainy tetsy anivon’ny hopitaly HJRA, ny alatsinainy 12 janoary teo, tamin’ny 6 ora hariva, ilay zazavavy vao 5 taona monja niharan’ny fanolanana tany Tsiroanomandidy. Tsy nahatsiaro tena nandritra ny 20 andro io zaza io. Tsy tana, omaly, ny ain’ ilay zazavavy vao dimy handray enin-taona amin’ny volana febroary […]
FANTINA sy FINTINA
Ho vita hatreo ireo mpiasam-panjakana matoatoa. Manomboka anio ny fanisana ireo mpiasa eo anivon’ny minisitera rehetra sy ireo Andrimpanjakana, miaraka amin’ireo rantsa-mangaika ao aminy ary hatrany amin’ny faritra. Tanjona ny hahafantarana ny tena isan’izy ireo marina, araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Asa, omaly. Miroso ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Nambaran’ny minisi-panjakana, […]




