Mois : janvier 2026

VAOVAO TAMBATRA

Voajinja avokoa ny 70% ny vary ao Andria­mia­rana Morondava, kaominina Ambohibao Ante­hiroka, distrika Ambohidratrimo. Ankehitriny, efa masaka ihany koa ny ambiny ary mandeha tsara ny fanalana rano ka tsy atahorana amin’ireo vary masaka na teo aza ny rotsakorana nandritra ny faran’ny herinandro. Nampanantsoina avokoa ireo mpivaro-kena tsy mbola nahavita fanamarinana […]

Fampandrosona : Vonona hanohana an’i Madagasikara ny Bad

Mandray anjara mavitrika amin’ny fivorian’ireo Gover­noran’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (Bad), izay atao any Abidjan nanomboka ny talata 6 janoary, ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola malagasy, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé. Fihaonana ambony natao ho sehatra ifampizarana traikefa sy fifampidinihana ara-strate­jika eo amin’ireo firenena mpikambana sy ny Bad, indrindra […]

Fadintseranana malagasy : Nampidi-bola maherin’ny 3 miliara Ar

Niakatra 6% ny vola nampidirin’ny fadintserana raha oharina ny tamin’ny taona 2024. Mikendry hatrany ny hanatsara ny fomba fiasany ity rafi-panjakana ity ho an’ny taona 2026. Tsara ny vokatra ho an’ny fadintseranana malagasy. Tafakatra hatrany amin’ny 3 642,3 miliara Ar ny vola nampidiriny tao anatin’ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. […]

FANTINA sy FINTINA

Tonga niarahaba ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina avo, teny Lapan’­ Ambohitsorohitra, afakomaly, noho ny taona vaovao 2026, ny fianakaviamben’ny Tafika notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Razafitombo Mami­nirina Ely. Nanambaran’ny filoha fa fanehoana fiaraha-mandroso ny fahatongavan’izy ireo. Tsy hanala baraka ny Tafika izy […]