Hifantoka amin’ny fahombiazana sy ny fampitomboana vokatra ny minisiteran’ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra Tsy Miankina (MIDSP). Nivoitra izany nandritra ny fananganan-tsaina voalohany nataon’ny minisitra Rasoarahona Andriniaina sy ireo mpiara-miasa aminy. Nantitranterina fa hitohy sy hohamafisina ny asa sy ny hetsika rehetra ataon’ny minisitera, izay mifanaraka amin’ ny paikady […]
Mois : janvier 2026
Fanjifana: Lasa 22 000Ar ny kilaon’ny voan-kafe
Tao anatin’ny efa-bolana, nahitam-piakarana ny voan-kafe eny an-tsena. Ankehitriny, vidiana 22 000 Ar ny kilao raha toa ka mbola 15 000 Ar izany ny volana septambra teo. “Ny volana oktobra teo no nanomboka niakatra ny voan-kafe, manodidina 18 000 Ar ny kilao, lasa 20 000 Ar indray izany ny volana desambra teo ka izao […]
Vidin-tsolika : Tafidina 4 970Ar ny litatra amin’ny lasantsy
Nihena 200 Ar ny litatry ny lasantsy taorian’ny fampiarana sy fanarahana ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Niakatra 10 Ar sy 30 Ar kosa ny vidin’ny gazoala sy ny solika fandrehitra, vidiny mihatra mandritra ity volana janoary ity. Zava-baovao. Sambany hatramin’ny volana jolay 2022 no nidina latsaky ny 5 000Ar […]
FANTINA sy FINTINA
Nilaza ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, Onitiana Realy, omaly, fa tsy marina ny filazana fahazoan’ny mpiasa eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana tambim-pankasitrahana na valisoa manokana 20 tapitrisa Ar avy. Tsy nanamarina ny fisian’ny taratasy niparitaka momba izany izy. Tsara ho fantatra fa melohin’ny lalàna ny fanelezana vaovao […]
Milavonjy Philobert : “Tsy ara-dalàna ny fanenjehana ny depiote Michelle”
“Misy zavatra hita sy tsapa ary fantatra fa tsy manaraka ny lalàna velona iainana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fisamborana azy”. Io no fanehoan-kevitry ny lehiben’ ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote voafidy tany Ambovombe Androy tamin’ny anaran’ny Irmar, Milavonjy Andriasy Philobert, teny […]




