Mois : janvier 2026

INDRAY MIJERY

Nanao fampahafantarana ny tompon’andraikitra fa mitombo ny marary eny amin ny tobim-pitsaboana Ostie amin’izao fotoana. Tamin’ny 22 desambra teo dia efa nahatratra 9167 ireo marary nanao fizaham-pahasalamana. Tsikaritra fa mahery ny gripa. Ny areti-tenda sy ny aretin-kibo dia ahitana tranga maro ihany koa. Mila mitandrina sy misoroka ny tsirairay. Voaporofo […]

Fahasalamana: Notokanana ny IFIRP Antsiranana

Nanao fitsidiham-paritra tany Antsiranana ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Ran­dria­nirina Michaël, omaly. Ni­tokana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana maromaro ta­ny an-toerana izy. Anisan’ iza­­ny ny trano miisa telo an’ny IFIRP. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana ao Antsiranana. Nanolotra fitaovana ara-pahasalamana ho an’ny CHU-PKA (Place Kaba­ry) sy ny CHU Tanam­bao […]

Dokotera Alain Mérieux : Notolorana ny mari-boninahitra “Docteur Honoris Causa”

Ho fankasitrahana ny anjara birikiny miavaka tamin’ny fampandrosoana ny firenena indrindra eo amin’ny ady amin’ny aretina mifindra, nanolotra ny mari-boninahitra ambony indrindra “Docteur Honoris Causa” ho an’i dokotera Alain Mérieux ny oniversiten’Antananarivo ny fiandohan’ity herinandro ity tao amin’ny “Salle des Présidents” ao Ankatso. Mpamorona ny Fondation Mérieux, izay manana laza […]

Rotsakorana be loatra : Lasibatra Analamanga, 11 ny olona maty

Mahita faisana amin’ny rotsakorana be loatra ny faritra Analamanga. Tafakatra 11 ny maty, nisy enina hafa naratra. Maro ko any fotodrafitrasa simba. Hatramin’ny omaly, ny faritra Analamanga iha­ny aloha no nitondra takaitra vokatry ny orambe nirotsaka nanomboka ny faraparan’ny volana novambra lasa teo hatramin’ny omaly ao anatin’ny fotoam-pahavaratra 2025-2026. Valo […]

Mario Prencipe – « De l’analogique au numérique »: Mihaona anaty kanto ny hosodoko fahiny sy ny teknôlôjia

Ny tena zavakanto, tsy lefin’ny vanim-potoana. Azo atao ihany koa ny mampiaraka ny tany aloha amin’ny teknôlôjia ankehitriny. Manamafy ireo ny fampirantiana tanterahin’i Mario Prencipe, eto Madagasikara, nanomboka omaly. «De l’analogique au numérique », fampirantiana tanterahina, ao amin’ny Institut des Arts et des Technologies Avan­cées (InATA) Ankadi­vato. Mario Prencipe, mpanakanto manana […]