Mois : janvier 2026

INDRAY MIJERY

Tsioka avy avaratra-andrefana no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny ho an’ny tapany avaratry ny Nosy hatramin’ny rahampitso. Tomba­nana hihamalefaka kosa izany manomboka ny alaka­misy makany amin’ny faran’ny herinandro. Hipaka amin’ ny morontsi­raka afovoany atsinanan’ny Nosy ny sisan-drahona niaraka tamin’ilay rivodoza Grant anio sy raham­pitso. Tombanana hanorana tandrifin-drahona mety […]

Fahasalaman’ny fananahana : Mila resahina malalaka amin’ny tanora

Mbola olana amin’ny fitaizana eto Madagasikara ny fisokafana amin’ny firesahana malalaka momba ny fananahana. Tena ilain’ny tanora anefa izany mba hananany fefy sy miaro tena tsy ho tonga amin’ny vohoka tsy niriana. Eo koa ny hahafantarany ny fanangolena sy fanararaotana ara-pananahana mety handindona azy. Tsy tokony hatao mahamenatra ny firesahana […]

Fampianarana teknika : Maro ireo mahita asa avy hatrany na miasa tena

Nisy ny fanaraha-maso natao tamin’ireo mpiofana nivoaka teo amin’ny rafi-pampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (ETFP) tamin’ny taona 2023/2024 manerana ny Nosy. Hita araka ny tondromarika fa betsaka ireo tanora no efa miditra eo amin’ny sehatry ny asa na koa mamorona asa ho an’ny tenany. Porofo izany fa mifanaraka amin’ny […]

Herisetra an-tsekoly : Mety hitarika hatramin’ny famoizam-po ho an’ny ankizy

Tsy mora ny iatrehan’ny ankizy sy ny tanora ny karazana herisetra any an-tsekoly. Mety hiafara amin’ny famoi­zam-po izany rehefa tena mafy ny fanafihana. Nanaitra ny sain’ny ray aman-dreny ny fiparitahan’ny vaovao mahakasika ilay ankizy niharan’ny herisetra an-tsekoly ka tra­tran’ny fahakiviana ary mahatsiaro ho very hevitra ka tsy mahafantatra ny tokony […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina any Bénin ny 17 sy 18 Janoary ny dingana famaranana ny Tekbot Robotic Challenge (TRC). Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ity fifani­nana iraisam-pirenena ity ny ekipa Innovator. Hanason­gadina ny fahaiza-manaony ara-teknolojia mandritra ireo fotoana ireo ny ekipam-pirenena. Tafakatra 731 500 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara nandritra ny 11 volana voalohan’ny […]