Mois : janvier 2026

Fihavaozana ho an’ny rehetra

  Anisan’ny mahoraka indray amin’izao fotoana ny fifan­drohitana politika. Tonga vahiny rahateo ka tsy afa-miala amin’ny fanangonan-kevitra. Misy ny mitazona ny teny nomeny, misy ny efa mivadika sahady amin’ny mpiara-nitolona. Tsy mahagaga rahateo izany fa efa samy ana­tin’ny kajikajin’ny fitadiavan-tseza sy fikatsahana tombontsoa avokoa. Ny an’ny sasany aza efa tonga […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy misy ifandraisany amin’ny 666 ny tetikasa biometrika”

Natomboka omaly ny tetikasa famantarana biometrika ny olom-pirenena, feno 18 taona. Nisantatra izany tao amin’ ny kaominina Tanjombato, nialohavan’ny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Tsy misy ifandraisany amin’ny isa 666 izany hoy ny filoham-panjakana. “Fantatray fa misy ahi­ahy sy resabe miparitaka, indrindra momba ny laharana sy famantarana tokana. Ny sasany aza […]

Basikety: Efatra herinandro ny fampivondronana

Nanomboka ny alatsinainy 26 janoary lasa teo, haharitra hatramin’ny 20 febroary izao, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana mandra­fitra ny Ankoay. Hitiliana izay ho ekipa nasionaly hiatrika ny lalao fifanintsanana ho amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026, taranja basi­kety, izy ity. Raha ny fandaharam-potoana, fanomanana ara-­batana sy “Technico tactique” […]

Pureplay Football League : Nisy tsy tomombana ny lalao tany Mahajanga

Olana tamin’ny mpitsara! Nanahirana indray ny lalao tany Mahajanga, nandritra ny andro fahatelon’ny “Pureplay Football League” (PFL). “Tena niharan’ny tsy rariny izahay. Anisan’izany ny zava-nisy ny alahady teo, baolina tokony hanomboka tamin’ ny 2 ora sy sasany, lasa amin’ny 3 ora sy sasany vao manomboka fa tsy hita ireo mpitsara […]

Lalao Olympika amin’ny andro ririnina : Hisolo tena an’i Madagasikara i Mialitiana sy i Mathieu

Hanana solontena i Madagasikara mandritra ny andiany faha-25 amin’ny lalao Olympika, fanao amin’ny andro riri­nina. Fifaninanana hotanterahina any Italie, ny volana febroary ho avy izao. Hiatrika izany i Mialitiana Clerc sy i Mathieu Gravier. Hiatrika ny “slalom” sy ny “slalom géant” i Mia, raha eo amin’ny “slalom géant” ihany ny […]