Nankalazaina omaly 26 janoary, teny amin’ny CCI Ivato, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ladoany (JID). Lohahevitra noraisina ny hoe, «Habantseranana miaro ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny fahamailoana sy ny fahitsiana». Nampahatsiahivin’ny tale jeneraly ny Ladoany (DGD), Randrianjafy Antoine, ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny fifanakalozana ara-barotra, ny olom-pirenena ary ny fanohanana […]
Mois : janvier 2026
Fanondranana entana : Tsy maintsy ampodiana ny devizy
Natao ny 22 janoary teo ny atrikasa nampahafantarana sy nampianarana ireo mpisehatra momba ny harena an-kibon’ny tany ao Toamasina, faritra Atsinanana. Satria zava-dehibe ho an’ny toekarena sy ny sandam-bola malagasy ny fanondranana any ivelany sy ny famerenana ny vola vahiny azo avy aminy. Araka izany, anisan’ny noresahina ny lalàn’ny fifanakalozana […]
Fitrandrahana loharano ambanin’ny tany: Hisitraka “carte hydrogéologique” i Madagasikara
Hahazo “carte hydrogéologie” hamantarana ireo loharano ambanin’ny tany azo trandrahina i Madagasikara afaka telo volana. Tetikasa vokatry ny fiaraha-miasan’ny fanjakana malagasy sy ny orinasa Kula Services avy any Singapour izy ity. Vita sonia, omaly, ny fifanaraham-piaraha-miasa stratejika eo amin’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH) sy ny orinasa […]
FANTINA sy FINTINA
Mpomba ny filoha teo aloha sy ny forongony ny 90 % amin’’ireo manodidina an’i Kly Randrianirina Michaël, raha ny nambaran’ny filohan’ny vovonana Tafita, Andriamiseza Alain. « Sarotra ny hisian’ny tena fanovana araka ny fitakian’ny vahoaka teny an-kianja », hoy izy. Nambarany fa anisan’ny nanome vola ireo Capsat koa izy ireo tamin’ny tolona. […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy afa-miala amin’ny fanavaozana ny Tafika”
“Tafika milamina, firenena milamina; Tafika mandroso, firenena mandroso”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanomboka ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tafika teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Miompana amin’ny tari-dalana stratejika telo ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fanovana. Eo ny famaliana ao anatin’ny fotoana fohy […]




