Tao anatin’izay roa volana nitsanganan’ny governemantan’ny Fanavaozana izay, nihetsika avokoa ireo rantsa-mangaikan’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ireo polisim-pirenena manerana ny Nosy. Nisy ny vokatra azo. Ho an’ny lafiny fampandriana fahalemana, nanao ny ezaka ny polisim-pirenena manerana an’i Madagasikara nahafahana nampihena ireo karazana fandikan-dalàna mifandraika amin’ny tsy fandriampahalemana. Amin’ireo raharaha nahazoana fitarainana […]
Mois : janvier 2026
TSELATRA
Fiara Sprinter iray tra-doza tany Behenjy, lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Olona efatra naratra vokatr’izany, ary nentina avy hatrany eo anivon’ny toeram-pitsaboana Ambatolampy izy ireo. Niainga tany Vohipeno io fiara mpitatitra io. Izay nitondra fianakaviana hamonjy fahoriana hihazo an’Antananarivo Renivohitra. Nandeha mafy ny fiara ary vaky kodiarana tampoka ka nitarika tamin’ny […]
67 Ha: Jiolahy telo lavon’ny balan’ny polisy
Nisehoana fifandonana mahery vaika teo amin’ny andian-jiolahy sy ny polisy avy ao amin’ny Unité d’intervention rapide (UIR) Tsaralalana, ny sabotsy maraina, tetsy 67 Ha, akaikin’ny fiantsonan’ny fiara zotra 119. Jiolahy miisa telo maty voatifitra nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta. Poa-basy maro no henon’ny mponina nandritra ny fotoana vitsy […]
Ankazomanga : Lehilahy iray maty nananton-tena
Lehilahy iray 35 taona, maty nananton-tena tamin’ny tady tetsy Ankazomanga atsimo, ny alin’ny zoma lasa teo. Niara-nipetraka tamin’ny reniny izy ary nilaza ny handeha hamonjy toeram-pivoahana tamin’ny 9 ora alina. Tsy niverina intsony anefa izy ary nivoaka nitady azy ny reniny. « Nihidy be ny toearam-pivoahana ary nandeha nitady azy hatrany […]
Horohorontany teto Antananarivo: Nandrodana trano sy nandratra ankizy
Nahatratra 5,6 amin’ny maridrefy Richter, naharitra 5 segodra ny horohorontany nitranga teto Antananarivo, afakomaly. Mafimafy ny fihozongozonana ka nisy ny trano nirondana sy nitriatra. Nisy ankizivavikely dimy taona, naratra tao Avaratsena, Soavinandriana. Nitrangana horohorontany mahery vaika teto Madagasikara, ny sabotsy atoandro lasa teo tamin’ny 11 ora sy 32 minitra. Tany […]




