Mikasa ny handray anjara amin’ny fifanintsanana iraisam-pirenena maro ny Federasionina malagasin’ny taranja tolona, (FML), amin’ity taom-pilalaovana vaovao ity. Anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zandriny, izay hatao ny volana aogositra ho avy izao. Eo ihany koa ny lalao Olaimpika ho an’ny tanora, U17, izay hotontosaina any […]
Mois : janvier 2026
Raharimalala Léa : Hamarana ny fankalazana ny 50 taona nanaovany volley
Hotanterahina ao amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano ny famaranana ny fankalazana ny jobily faha-50 taona niseharan-dRaharimalala Léa Manary teo amin’ny taranja volley- ball. Ny 22, 23 ary 24 janoary izao ny fotoana nosafidian’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny volley-ball hamaranana ny jobily fankalazana ny faha-50 taona nanaovany volley. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra […]
VAOVAO TAMBATRA
Tale jeneraly vaovao hitantana ny Fadintseranana malagasy, Randrianjafy Antoine. Mahafehy sy mahalala tsara ny lanjan’ny toekarena sy ny ladoany ny tenany. Tanjony ny hanamafisana ny fanavaozana ho maoderina kokoa ny fitantanana ny haban-tseranana, ny ady amin’ny hosoka sy ny trafika tsy ara-dalàna amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana, indrindra ny […]
Fampandrosoana ny toekarena : Mila henoina ny sehatra tsy miankina
Nifanakalo hevitra momba ny zava-misy sy nametraka ny vinan’ny toekarem-pirenena izay ahitana vesatra ara-ketra sy ny fitotongan’ny fitomboan’ny toekarena ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) sy ny sehatra tsy miankina, andro vitsy lasa. Mandalo fotoan-tsarotra sy manan-danja eo amin’ny tantaran’ny toekarena i Madagasikara amin’izao fotoana, na eo aza ny fitomboan’ny tahan’ny fanondranana, […]
Banky foiben’i Madagasikara: Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny FDS
Tontosa omaly, teny Antaninarenina, ny fanavaozam-piaraha-miasa eo amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) sy ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS): ahitana ny Tafika, zandary ary polisy. Nanatrika izany ny governoran’ny Banky foibe, Andrianarivelo Aivo, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika (Cema), ny Jly Pikulas Démosthène, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena (ComGN), ny Jly Mbina Mamelison […]




