Mois : janvier 2026

Voka-pikarohana: Hapetraka ny ivontoerana hamatsy vola

Notanterahina teny amin’ ny primatiora, Lapan’i Maha­zoarivo, omaly, ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera dimy momba ny lohahevitra avy amin’ny fikarohana mankany amin’ny fiantraikany. Fiaraha-miasa stratejika ho an’ny fanavaozana sy fahaleovantena ara-toekarena ho an’i Madagasikara. “Tanjona ny hamadika ny voka-pikarohana ho fitaovana mivantana amin’ny famoro­nana asa. Haivao hitondra […]

Fampianarana: Nivoaka ny tetiandrom-panadinana vaovao

Nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny talata lasa teo, no nampitana ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana nasiam-panovana. Hotanterahina ny talata 16 jona 2026 ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy. Ny 6 jolay hatramin’ny 9 jolay kosa ny BEPC. Hotanterahina ny 20 jolay hatramin’ny 24 jolay ny fanadinana bakalorea ankapobeny. Mifanindran-dalana amin’izay ny […]

Fiatrehana loza sy tandindon-doza: Mahazaka 1 000t ny fanatobiana entana ao Manakara

Tao anatin’ny dimy taona, nanokana vola 29,4 tapitrisa euros ny Vondrona eoropeanina hanohanana ny Pam sy ny fanjakana malagasy ho fiahiana ny maha olona. Anisan’izany ny fametrahana ivontoerana lehibe vaovao fitehiri­zana entana ao Manakara, hanamorana ny fiomanana mialoha manoloana ny loza sy ny tandindon-doza. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanao fanambarana tao amin’ny pejiny ny US Monastir, klioba divizionina voalohany, taranja baolina kitra any Tunisie, fa mpilalao an’izy ireo amin’ny fomba ofisialy i Behaja, Malagasy. Nampahafantarina afakomaly, tany an-toerana izany ary haharitra hatramin’ny taona 2029 ny fifanarahan’ny roa tonta. Tsara ny mampaha­tsiahy fa mpilalaon’ny Jet Kintana teo aloha i […]

Tsipy kanetibe-ligy Analamanga : Hanao fihaonambe hanatsarana ny taranja

Hotanterahina ny sabotsy 24 janoary ho avy izao, etsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fivoriambe voalohany ataon’ ny ligin’Analamanga, taranja tsipy kanetibe. Hatolotra amin’ io koa ireo fandaharam-poto­ana rehetra ho an’ny taom-pilalaovana 2025. Hankatoa­vana ny fitsipika rehetra, ara-teknika sy ara-moraly ary ny ara-bola ihany koa. Hampaha-fantarina, mandritra izany, ny mpikambana rehetra […]