Natomboka ny 17 janoary teo, tany Toliara, ny hetsika hiadiana amin’ny andiam-balala ho an’ny taona 2025-2026. Faritra enina no hanaovana azy, hampiasana ny hetsika ana habakabaka sy an-tanety. Voafaritra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana ny paikady fanovana (PGE-R) eto amin’ ny firenena. Tafiditra anatin’ izany ny fahaleovantena sy ny fiarovana […]
Mois : janvier 2026
FANTINA sy FINTINA
Nesorina tamin’ny toerany ny Kly Rakotomamonjy Patrick, tale misahana ny birao fandraisana fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Notapahan’ny filankevitry ny minisitra ny fanalana azy amin’ ny toerany. Tsiahivina fa anisan’ny nahalalana azy ireo horonantsary maromaro nifanesy nitsikera ny fitondrana Rajoelina. Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny RDS, Andrianirina Fetison. […]
Fametrahana laharam-pahamehana: Havaozina ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa
Fifanarahana hanomanana ny fananganana rafitra fiaraha-miasa vaovao mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny Fanavaozana. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fanambarana iombonan’ny minisitry ny Vondrona eoropeanina sy ny Raharaham-bahiny frantsay, i Jean-Noël Barrot, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razana-mahasoa Christine, afakomaly, nampitain’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly. Mankasitraka ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana sy ny […]
Mbola maro ny ezaka
Niteraka resabe teny amin’ny fiarahamonina ny fanafoanana sahady ny fanendrena ny tale misahana ny fandraisana fitarainana, kolonely Patrick no ahaizan’ny maro azy. Toraka izany koa ny fanesorana talem-paritra maromaro ao anatina faritra iray. Manontany tena ny mpanara-baovao raha lesoka tamin’ny fandraisana azy ireo no nahatonga izany na vokatry ny […]
Fihaonana tamin’ny Sadc : Manangasanga ny tondrozotra amin’ny Tetezamita
Nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël, ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias M. Magosi. Voaresaka ny momba ny fitantanana ny Tetezamita. Nifanakalozan-kevitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, tamin’izany ny momba ny tetezamita eto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny sekretarian’ny Sadc. Ao anatin’izany ny […]




