Maro anisa vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ! Tafakatra anjatony izao ireo solombavambahoaka nanao fanambarana fa hanohana izao fitondrana Fanavaozana izao.
«Mipetraka ny vovonan’ny depiote amin’izao fanavaozana izao. Iaraha-mahita ny ezaky ny fitondrana amin’ izao». Io ny fanazavan’ny depiote tsy miankina voafidy tany Manandriana, Amoron’i Mania, Andrianjanahary Fanomezantsoa, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fijoroan’ny vovonan’ny depiote, ahitana mpikambana 116. Inoany fa maro no resy lahatra amin’ izany. Satria niakatra 14%, ohatra, ny karaman’ny mpiasam-panjakana, tsy nisy tao anatin’ny taona maro. Eo koa ny tambim-pankasitrahana. Toy izany koa ny fijerena manokana ny fiainan’ny oniversite, indrindra ny famahana ny olana amin’ny famatsian-jiro sy rano. Efa misy vokatra azo tsapain-tanana tao anatin’ny fotoana fohy nisian’ny fanavaozana tarihin’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, miaraka amin’ireo mpanolotsaina avo.
Hanaraka ny tapaky ny vahoaka izy ireo
Noho izany, vonona mandrakariva hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ry zareo ao amin’ny vovonan’ny depiote. Hifanohana sy hifanampy amin’ny fitondrana izany. Satria ny hijerena izay hanampiana ny vahoaka malagasy ao anatin’ ny fahasahiranana no tanjona. Ny fangatahana fandravana ny andrimpanjakana, amin’ny saina tsy miangatra: tsy mitovy ny Tetezamita tamin’ny 2009 sy ny amin’izao. Mbola ny lalàmpanorenana no enti-mandamina sy mitantana ny tany sy ny fanjakana mandra-pahatonga izay rafitra vaovao ho amin’ny fanavaozana. Miantso ny hery velona rehetra izy hifanome tanana amin’ny fakan-kevitra sy ny fikaonandoham-pirenena hamoahana izay tena rafitra hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Rehefa vita ny fikaonandoham-pirenena, hanaraka izay tapaky ny vahoaka ireo depiote.
R. Nd.




