FANTINA sy FINTINA

Nankasitraka sy nanome lanja ny ezaka vitan’ i Madagasikara tao anatin’ny telo volana farany ny Vondrona afrikanina (UA), araka ny nambaran’ny iraka, Mohamed Idriss Farah. Noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, izy, ny alahady teo. Nambarany fa hita taratra ny fandrosoana ara-politika, ara-toekarena ary ara-tsosialy.
Tsy ho tafiditra ao anatin’ny fandrika ataon’ ireo mpanao politika, miketrika ny handrafitra sori-dalana ny Tim, araka ny nambaran’ny filoha nasiona­liny, Ravalomanana Marc, tany Fianarantsoa, ny herinandro teo. Nanteriny fa manohana ny fitondrana ny antoko. « Tsy mpanohana befahatany anefa fa sahy mijoro sy miteny ny tsy mety », hoy izy.
Nahitsy Razafiarison Laza fa tsy fitakiana fanavaozana no notakina teny an-kianja. Fanovana rafitra no izy, araka ny nambarany. Nanteriny fa miverina amin’ny voalazan’izy ireo avokoa ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. « Tsy mana­raka lalàmpanorenana isika ary nohitsahin’ny HCC ihany izany », hoy izy.
Tsy azo raisina ary tsy mitombina ny fitorian’ ny Gen Z ny hanafoanana ireo fifidianana depiote ny taona 2024, ka nahalany ireo solombavambahoaka Irmar miisa 80. Nohitsin’ny HCC fa efa nisy ny didy nivoaka tamin’izany sady tsy andraikitr’izy ireo ny manafoana fifidianana. « Efa misy ny fahefam-panja­kana ho amin’izany », hoy ireo mpitsara avo.

Partager sur: