Nitohy teny Atsimondrano indray ny fanoratana anarana biometrika, taorian’ny hetsika « Izaho tokana », nanombohana izany ofisialy teny Iavoloha. Nosantarin’ny minisitry ny Atitany, teny amin’ny kaominina Tanjombato ary nitohy hatreny Ampitatafika izany, ny herinandro teo. Mavitrika misoratra anarana ny mponina. Nialohavan’ny fanentanana izany.
Tsy mbola nisy resaka ny fanamarihana ny 7 febroary, hahatsiarovana ireo niharam-boina tamin’ny tranga niseho 16 taona lasa izay. Tsy nahenoana feo ireo fikambanana efa manamarika izany isan-taona. Na izany aza, voalaza fa hisy fanaterana fehezam-boninkazo eny Ambohitsirohitra, amin’io fotoana io.
Tsy mbola nieritreritra ny hanatanteraka ny fifidianana loholona sy ny tetiandro momba izany ny Ceni, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotonarivo Thierry, omaly, teny Alarobia. « Tsaratsara kokoa raha miandry ny hevitry ny vahoaka amin’ny alalan’ny fikaonandoham-pirenena isika vao miroso amin’izany », hoy izy.
Hanohana ny zotram-pifidianana hatao ao anatin’ny 24 volana ny Vondrona eoropeanina (UE). Nambaran’ny masoivohon’izy ireo, i Roland Kobia, ny herinandro teo izany, tamin’ny fihaonany amin’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia. Voaresaka koa ny fanomanana ny hiatrehana izany.




