Maka Alphonse : “Mila faritana mazava ny faharetan’ny Tetezamita”

“Tokony hisy fepetra ara-dalàna iray faritan’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ny faharetan’ny fitondrana amin’izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, omaly, ny amin’ny fihaonana tamin’ny iraky ny Vondrona afrikanina. Roa volana ny fa­habangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika. Efa mivoaka ny lalàmpanorenana ny ivelan’izay. Noho izany, tsy maintsy misy vondron’olona na rafi-panjakana iray maka hevitra amin’ny HCC. Mety ato ho ato izay. Tsaratsara kokoa raha ny Praiminisitra no hanao izay, hamoahan’ny HCC ny faharetan’ny fitondrana.
Amin’izao, inona ny andrim­panjakan’ny Tetezamita? Ma­nomboka eo amin’ny fanapahan’ny fikaonandoham-pirenena no manomboka ny Tete­zamita. Mbola ny lalàmpanorenana sy ny rafi-panjakana teo aloha no iasana amin’izao. Ny filohan’ny Repoblika ihany no niova. Ny fikaonandoham-pirenena no manapaka izay ho mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka ary ny fahefana mpitsara, indrindra izay ho mpitsara ny fifidianana. Haja­no­na eo ihany ve, ohatra, ny HCC ka hisy fitsarana manokana momba ny fifidianana sa ny amin’izao ihany no hitsara ny fifidianana? Adihevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izay.
Manana ny heviny ny eo amin’ny fitondrana, ny mpanohitra, ny fiarahamonina sivily… Izay no mahatsara ny hoe amin’ny fikaonandoham-pirenena no hanapahana ny hevitra re­hetra, ary mandray anjara avokoa ny hery velona rehetra. Ma­­nana ny fanapahan-keviny ny va­hoaka malagasy. Taratry ny fiandrianam-pirenena ny fi­kao­nandoha, tsy manilika ary tsy miandany amin’ny fanapahana ny fe-potoan’ny Tetezamita.

R. Nd.

Partager sur: