FANTINA sy FINTINA

Feno 51 taona omaly, ny nanoloran’ny Jly Ramanantsoa Gabriel ny Kly Ratsimandrava Richard ny fahefana feno hitondra ny tany sy ny fanjakana. Anisan’ny teny nambarany tamin’izany ny « Tsy hiamboho adidy aho mon Général”. Maty voatifitra teo Ambohijatovo ambony anefa izy, herinandro taorian’ny nandraisany izany fahefana izany.
Lasa nitsabo tena any am-pitandranomasina i Mahery Lanto Manandafy (Malama). Niantohan’ny fitondram-panjakana tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny governemanta ny fitsaboana azy any ivelany. Naneho fisaorana sy fankasitrahana izany ny avy amin’ny fianakaviany manontolo. Tsiahivina fa efa tsy salama, taorian’ny nivoahany ny fonja, izy.
Tsy misy matoky ny Ceni amin’izao fotoana izao izany. Lahatenin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël tany Mahajanga, afakomaly, izany fa miandry fanovana vao afaka manao fifidianana. « Iandrasana ny fikaonandoham-pirenena izany », hoy izy. Nanteriny koa fa tsy maintsy olona any an-toerana no ho lehiben’ny faritra Boeny.
Noraisin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny masoivoho vaovao an’i Japon, i Hitoshi Tojima. Voaresaka, tamin’izany, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny roa tonta. Anisan’izany ireo tetikasa momba ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny fanatsarana ny fahazoana herinaratra any an-toerana.

Partager sur: