Mbola nanamafy ny efa nambarany, manoloana ireo resaka mandeha, ny eo anivon’ny minisi-panjakana misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. « Miainga any ifotony, manomboka eny amin’ny fokontany, mandalo kaominina, distrika, faritra ary ny sehatra nasionaly ny ho fizotran’ny fikaonandoham-pirenena », hoy izy. Nanteriny, tamin’izany, fa handray anjara amin’izany avokoa ny sehatra rehetra ary samy hitondra ny heviny. Anisan’izany ireo fikambanana samihafa, ny avy amin’ ny antoko politika sy ny tanora. Eo koa ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, araka ny nambarany hatrany. Samy anisan’ny hifampiresahana sy hodinihina amin’ izany ny sehatra rehetra, toy ny lafiny sosialy sy ny toekarena ary koa ny tontolo politika.
Aorian’izay, miakatra aty ambony ny hevitra rehetra voaray avy eny ifotony avy amin’ ireo sehatra rehetra ireo. Hitohy amin’ny famadihana ho boky be iray izany avy eo ka ho lasa volavolana Lalàmpanorenana. « Tanjona ny hanovana ny Lalàmpanorenana sy ny hidirantsika amin’ny Repoblika fahadimy », hoy izy.
Tsiahivina fa miara-miasa amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana sy ny FFKM, ny eo anivon’ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana amin’ny fanatanterahana izany.
Synèse R.




