Manameloka ny « Fitsaram-bahoaka » fandorana olona, tao Tsarahonenana Antsirabe ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa tsy vahaolana ny valifaty. An’Andriamanitra irery ny aina. « Mila mahatoky ny rafi-pitsarana isika na eo aza ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana manoloana ny lesoka », hoy izy.
Vonona ny hamerina ireo vola sy fananana tsy ara-dalàna aty Madagasikara ny fanjakana Maorisiana rehefa vita sy tapitra ara-dalàna ny raharaham-pitsarana, araka ny fepetra voalazan’ny lalàna manan-kery. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’ny Praiminisitra Maorisianina, Navinchandra Ramgoolam, sy ny minisitra, Fanirisoa Ernaivo.
Nanazava ireo vaovao diso ny minisiteran’ny Fitsarana. Tsy mitombina ny filazana fa tohina tamin’ ny nambaran’ny minisitra Fanirisoa Ernaivo ny fanjakana Maorisianina. « Mifanohitra amin’ny zava-misy tanteraka izany. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’i Madagasikara hatrany izy ireo », hoy ny fanambarana.
Nivoaka amin’ny fanginany ny depiote teo aloha, Raharinaivo Andrianantoandro. Nambarany
fa tsy ho tafavoaka ny fifanarahana politika kasaina hatao eto Madagasikara. « Mbola manjaka ny kajikajy sy ny tombontsoa manokan’ireo mpanao politika », hoy izy. Anisan’ny mpikambana eo anivon’ny Vondrona Ampandrana (Vona), ny tenany.




