Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika: « Helohinay ny fanjakan’i Eswatini nandray an-dRajoelina »

Namoaka fanambarana hentitra ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Nohelohin’izy ireo tamin’izany ny fihetsiky ny fanjakan’i Eswatini.

«Manameloka tanteraka ny fandraisana ofisialy na­taon’ny fanjakan’i Eswatini (Swaziland) ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, efa nesorina teo amin’ny fahefana ny fitondram-panjakana mala­gasy », hoy ny fanambarana. Nohitsin’ny ao amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika fa tena fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena malagasy izany. Maniratsira ny fahatsiarovana ireo niharam-boina nandritra ny zava-nitranga mampalahelo tamin’ ny tolona nisy tamin’ny 2025 koa izany fihetsiky ny fanjakan’i Eswatini izany, araka ny fa­nambarana hatrany. « Tsy ma­nana ny zom-pirenena malagasy intsony Rajoelina Andry, noho izy nisafidy zom-pirenena hafa, ary anisan’ireo namoahana ny didy fampisam­borana iraisam-pirenena », hoy ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika.
Nanterin’ny fanambarana fa heverina ho fanelingele­nana ny dingana ara-politika izao fihetsiky ny fanjakan’i Eswatini izao nefa eo am-panarenana ny fitoniana sy ny fampihavanam-pirenena i Madagasi­kara. Miaraka amin’ ny fanohanan’ny Sadc izany, araka voalazan’ny fanamba­rana. Notsia­hivina koa fa efa nandefa taratasy ofisialy tany amin’ity vondrom-paritra ara-toekarena misy antsika ity sy any amin’ny filohan’i Afrika Atsimo ny fitondram-panja­kana malagasy.
Fiarovana ny fiandrianam-pirenena

Manamafy izany taratasy izany fa tsy mihemotra amin’ ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny hasin’ny va­hoaka ary ny fahatsiarovana ireo niharam-boina ny mpitondra eto Madagasikara. « Tsy misy tombontsoa ara-politika na ara-drafitra afaka mihoatra ireo foto-kevitra fototra ireo », hoy ihany ny fanambarana.
Tsiahivina fa noraisin’ny mpanjakan’i Eswatini, i Mswati III, ny sabotsy teo, ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Voaresaka tamin’izany ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara sy ny fikaroham-bahaolana momba izany.

Synèse R.

Partager sur: