FANTINA sy FINTINA

Lasa any Toamasina, efa hatry ny omaly, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady. Hiatrika ny fiomanana amin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani miaraka amin’ny vahoaka any an-toerana ny tenany. Tsiahivina fa hiditra an-tanety, anio alina, eo anelanelan’i Mananara Avaratra sy Vatomandry izany rivodoza izany.
Tsy misy didy fampisamborana mivoaka momba ny Kly Rakotomamonjy Patrick, araka ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Nam­barany, tamin’izany, koa fa tsy misy kisendrasendra
amin’ny politika fa efa voakajy daholo ny zava-drehetra.
Fisandohana fahefana no nataon’ny filoha teo aloha, araka ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. “Manamafy izahay fa miendrika fisandohana fahefana ireny nataon’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, tany Eswatini ireny. Tsy ho voasarika amin’izany isika”, hoy izy.
Anisan’ny mampiverimberina ny fitakian’ny vahoaka ny famonoana ny demokrasia sy ny fanampenan-tsofina, araka ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny Monima, Monja Roindefo. «Mila mitandrina ny mpitondra», hoy izy. Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo teny Ambohitsorohitra ho fahatsiarovana ny 07 febroary 2009 ny tenany, ny asabotsy teo.

Partager sur: